Nataon’i Agara hoe: Atta-El-Rôy no Anaran’i Iaveh izay niteny taminy, fa hoy izy: «Moa dia hitako teto tokoa va ilay Andriamanitra Izay nahita ahy?»
Mpitsara 6:22 - Baiboly Katolika Dia fantatr’i Jedeôna fa Anjelin’i Iaveh iny ka hoy i Jedeôna: «Maty aho, ry Iaveh Tompo ô, fa nahita nifanatri-tava tamin’ny Anjelin’i Iaveh.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hitan’i Gideona fa Anjelin’NY TOMPO ilay teo ka hoy izy: Andray, ry TOMPO Andriamanitra ô! Hay, nahita ilay Anjelin’NY TOMPO nifanatrika aho! DIEM PROTESTANTA Takatr’i Gidehôna tamin’izay fa anjelin’ny TOMPO ilay teo ka hoy izy hoe: –Lozako, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, fa nahita ny anjelinao nifanatrika tamiko aho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Takatr’i Gidehôna tamin’izay fa anjelin’ny TOMPO ilay teo ka hoy izy hoe: –Lozako, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, fa nahita ny anjelinao nifanatrika tamiko aho. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hitan’i Gideona fa Anjelin’i Jehovah Izy, ka hoy izy: Adray, Jehovah Tompo ô! fa nahita Ilay Anjelin’i Jehovah nifanatrika aho. Malagasy Bible Dia hitan'i Gideona fa Anjelin'i Jehovah Izy, ka hoy izy: Adray, Jehovah Tompo ô! fa nahita Ilay Anjelin'i Jehovah nifanatrika aho. La Bible en Malgache Dia hitan’i Gideona fa Anjelin’NY TOMPO ilay teo ka hoy izy: Andray, ry TOMPO Andriamanitra ô! Hay, nahita ilay Anjelin’NY TOMPO nifanatrika aho! |
Nataon’i Agara hoe: Atta-El-Rôy no Anaran’i Iaveh izay niteny taminy, fa hoy izy: «Moa dia hitako teto tokoa va ilay Andriamanitra Izay nahita ahy?»
Ary nataon’i Jakôba hoe Fanoely ny anaran’io tany io, fa hoy izy: «Efa nahita an’Andriamanitra nifanatrika aho, nefa velona ihany ny aiko.»
Nony niala teo Fanoely izy, dia indro hitany niposaka ny masoandro; nitolitsika anefa izy tamin’ny foto-peny.
Dia hoy i Iaveh: «Tsy afa-mahita ny Tavako ianao, satria tsy afa-mahita Ahy ny olombelona ka mbola ho velona ihany.»
Tsy dia nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanaka tokana izay ao anatin’ny Ray ihany no hany nanambara Azy.»
Koa ianao re no aoka hanatona ary hihaino izay rehetra holazain’i Iaveh Andriamanitsika, dia ianao no hilaza aminay izay rehetra holazain’i Iaveh Andriamanitsika aminao, ka hohenoinay sy harahinay izany.
Endrey, raha mba toy izany mandrakariva mantsy ny fony ka hatahotra Ahy sy hitandrina ny didiko rehetra izy, ka ho sambatra mandrakizay izy sy ny taranany.
ary nitsangana teo anelanelan’i Iaveh sy ianareo aho tamin’izay, mba hitondra aminareo ny teniny, fa natahotra ny afo ianareo ka tsy niakatra tany an-tendrombohitra. Izao no nolazainy: