dia nanao hoe: «Tompo ô, raha nahita fitia eo imasonao aho, aza dia lalovana fotsiny lahy ny mpanomponao,
Mpitsara 6:19 - Baiboly Katolika Nony niditra i Jedeôna dia namboatra zanak’osy ary nanao mofo tsy misy lalivay tamin’ny lafarina iray efah, ka rehefa nataony tao anaty harona ny hena, ary tao anaty vilany ny ro dia nentiny tamin’izay teo ambanin’ny terebinta ka natolony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia lasa i Gideona nanomana zanak’osy sy mofo tsy misy masirasira tamin’ny koba eran’ny efaha; ny hena dia nataony tao anaty harona ary ny ron-kena dia nataony tao anaty vilany; dia noentiny ho eo Aminy teo ambanin’ilay hazo terebinta izany ka natolony Azy. DIEM PROTESTANTA Dia nandeha i Gidehôna ka namboatra zanak’osy sy mofo tsy misy leviora tamin’ny koba ankevitry ny telopolo kilao. Nataony tao anaty harona ny hena ary nataony tao anaty vilany ny ron-kena, dia nentiny teo ambanin’ny terebinta ka natolony ny Tompo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nandeha i Gidehôna ka namboatra zanak’osy sy mofo tsy misy leviora tamin’ny koba ankevitry ny telopolo kilao. Nataony tao anaty harona ny hena ary nataony tao anaty vilany ny ron-kena, dia nentiny teo ambanin’ny terebinta ka natolony ny Tompo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Gideona lasa niditra ka namboatra zanak’osy sy mofo tsy misy masirasira tamin’ny koba iray efaha, ka ny hena nataony tao anatin’ny harona, ary ny ron-kena nataony tao anatin’ny vilany, dia nentiny ho eo aminy, teo ambanin’ilay hazo terebinta ka natolony Azy. Malagasy Bible Ary Gideona lasa niditra ka namboatra zanak'osy sy mofo tsy misy masirasira tamin'ny koba iray efaha, ka ny hena nataony tao anatin'ny harona, ary ny ron-kena nataony tao anatin'ny vilany, dia nentiny ho eo aminy, teo ambanin'ilay hazo terebinta ka natolony Azy. La Bible en Malgache Dia lasa i Gideona nanomana zanak’osy sy mofo tsy misy masirasira tamin’ny koba eran’ny efaha*; ny hena dia nataony tao anaty harona ary ny ron-kena dia nataony tao anaty vilany; dia noentiny ho eo Aminy teo ambanin’ilay hazo terebinta izany ka natolony Azy. |
dia nanao hoe: «Tompo ô, raha nahita fitia eo imasonao aho, aza dia lalovana fotsiny lahy ny mpanomponao,
dia hangalako mofo kely ianareo hataonareo tohan’aina, vao manohy ny dianareo ianareo, fa izany no nandalovanareo amin’ny mpanomponareo.» Dia hoy ny navalin’ireo: «Ataovy àry, araka izay voalazanao.»
«Raha zavatra endin-dafaoro no atolotrao ho fanatitra, dia ho mofo mamy vita amin’ny lafarina tsara indrindra tsy misy lalivay, voadity amin’ny diloilo, sy mofo manify, tsy misy lalivay, voararaka diloilo.»
Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lalivay, izay nalain’ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin’ny koban-dafarina intelon’ny famarana, mandra-pahazon’ny lalivay azy rehetra.
Raha ilay miakatra mankany an-danitra avy eo ambonin’ny ôtely iny ny lelafo dia niakatra tao anatin’ny lelafon’ny ôtely ilay Anjelin’i Iaveh. Raha nahita izany i Manôe mivady dia lavo niankohoka tamin’ny tany.
Aza dia miala eto Ianao mandra-piveriko eto aminao, mitondra ny fanatitro sy mandroso azy eo anoloanao.» Dia hoy i Iaveh: «Hiandry mandra-piverinao Aho.»
Hoy ny Anjelin’i Iaveh taminy: «Alao ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay, apetraho eo ambonin’ity vatolampy ity, sy rotsahy ny ro.» Dia nataony izany.