Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 6:14 - Baiboly Katolika

Dia nitodika azy i Iaveh ka nanao hoe: «Mandehana amin’izao hery anananao izao, ka afaho amin’ny tanan’i Madiàna i Israely; tsy efa nirahiko va ianao?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nitodika nijery azy NY TOMPO ka niteny hoe: Mandehana amin’izao herinao izao ka vonjeo amin’ny tanan’ny Midianita ny Israely. Tsy efa naniraka anao va Aho?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nitodika nijery azy ny TOMPO ka niteny taminy hoe: –Mandehàna amin’izao herinao izao, ka afaho teo am-pelatanan’ny Midianita ny Israelita, fa Izaho no naniraka anao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nitodika nijery azy ny TOMPO ka niteny taminy hoe: –Mandehàna amin’izao herinao izao, ka afaho teo am-pelatanan’ny Midianita ny Israelita, fa Izaho no naniraka anao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nitodika nijery azy Jehovah ka nanao hoe: Mandehana amin’izao herinao izao, ka vonjeo ny Isiraely amin’ny tànan’ny Midiana, tsy efa naniraka anao va Aho?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nitodika nijery azy Jehovah ka nanao hoe: Mandehana amin'izao herinao izao, ka vonjeo ny Isiraely amin'ny tanan'ny Midiana; tsy efa naniraka anao va Aho?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nitodika nijery azy NY TOMPO ka niteny hoe: Mandehana amin’izao herinao izao ka vonjeo amin’ny tanan’ny Midianita ny Israely. Tsy efa naniraka anao va Aho?

Jereo ny toko



Mpitsara 6:14
10 Rohy Ifampitohizana  

Koa handeha ianao amin’izao, irahiko any amin’i Faraôna, hitondranao mivoaka ny zanak’i Israely vahoakako.»


Ary inona koa no holazaiko? Tsy ho ampy ny andro hilazako ny amin’i Jedeôna, i Baràka, i Samsôna, i Jefte, i Davida, i Samoela, mbamin’ny mpaminany:


namono ny herin’ny afo, afaka tamin’ny lelan’ny sabatra, nositranina tamin’ny aretina, nampiseho herim-po tamin’ny ady, nampandositra ny miaramilan’ny fahavalo;


Niseho tamin-dravehivavy ny Anjelin’i Iaveh ka nanao taminy hoe: «Momba ianao izao, ka tsy manan-janaka, nefa hanana anaka kosa ianao, ka hitera-dahy.


Naniraka olona hiantso an’i Baràka, zanak’i Abinaema, tany Kadesa any Neftalì, izy, ka nanao taminy hoe: «Tsy izao va no didy nomen’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Mandehana mankany an-tendrombohitra Tabôra ianao ary mitondrà lehilahy iray alina amin’ny taranak’i Neftalì sy amin’ny taranak’i Zabolôna hiaraka aminao,


Ary tonga ny Anjelin’i Iaveh ka nipetraka teo ambanin’ny terebinta tao Efrà, izay an’i Jôasy, fianakavian’i Abiesera. Nively vary teo amin’ny fitoerana famiazam-boaloboka i Jedeôna zanany tamin’izay, mba hapetrany amin’izay tsy hahitan’i Madiàna azy.


Dia hoy i Jedeôna tamin’i Iaveh: «Raha ny tanako tokoa no tianao hamonjena an’i Israely, araka ny voalazanao,


Dia nirahin’i Iaveh i Jerobaala, i Badana, i Jefte, ary i Samoela, ka nanafaka anareo tamin’ny fahavalonareo rehetra manodidina anareo izy, dia nandry feizay, teo amin’ny fonenanareo ianareo.