Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 5:7 - Baiboly Katolika

Lao ny tany an-tsahan’i Israely, mandra-pitsangako, izaho Debôrà, mandra-pitsangako izaho reny teo amin’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tsy nisy mpanapaka intsony teo amin’ny Israely; eny, nitsahatra izany, mandra-pitsangako, izaho Debora, eny, mandra-pitsangako ho reny teo amin’ny Israely.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tsy nisy lehibe intsony, tsy nisy lehibe intsony teto amin’i Israely, mandra-pisehoko izaho Debôrà ho toy ny reny teto amin’i Israely.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tsy nisy lehibe intsony, tsy nisy lehibe intsony teto amin’i Israely, mandra-pisehoko izaho Debôrà ho toy ny reny teto amin’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Lao ny tany an-tsaha; eny, lao tamin’ny Isiraely izany, Mandra-pitsangako, izaho Debora, Eny, mandra-pitsangako ho reny teo amin’ny Isiraely.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Lao ny tany an-tsaha; eny, lao tamin'ny Isiraely izany, Mandra-pitsangako, izaho Debora, eny, mandra-pitsangako ho reny teo amin'ny Isiraely.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tsy nisy mpanapaka intsony teo amin’ny Israely; eny, nitsahatra izany, mandra-pitsangako, izaho Debora, eny, mandra-pitsangako ho reny teo amin’ny Israely.

Jereo ny toko



Mpitsara 5:7
7 Rohy Ifampitohizana  

Izaho dia anankiray amin’ny tanàna tia fihavanana sy mahatoky eto amin’i Israely. Fa ianao kosa mitady handrava tanàna izay reny amin’i Israely. Ka ahoana ange no handravanao ny lovan’i Iaveh?»


Mpanjaka lahy no ho mpitaiza anao ary ny andriambaviny no ho mpitaiza anao; hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao izy ireo, ary hilelaka ny vovoka amin’ny tongotrao; dia ho fantatrao fa Iaveh Aho, ary tsy ho menatra izay manantena Ahy.


Veloma any amin’i Rofosa olo-malaza ao amin’ny Tompo, sy any amin-dreniny izay reniko koa.


Tamin’ny andron’i Simagara, zanak’i Amata, tamin’ny andron’i Jahela ny lalam-be tsy nodiavina, fa ny sakeli-dalana mihodivitra no nomban’ny mpandeha.


Fa nifidy andriamani-baovao ny olona, ka nitsidika eo am-bavahady ny ady, ary ny ampinga aman-defona tsy nisy hita, teo amin’ny olona efatra alina, amin’i Israely.