«Mandehana lazao amin’i Davida manao hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Zavatra telo no apetrako eo anoloanao, ka fidio izay iray hataoko aminao.»
Mpitsara 3:20 - Baiboly Katolika Nipetraka irery tao an-tranony fakana hatsiatsiaka izy no nohatonin’i Aoda ka nataony hoe: «Manana teny avy amin’Andriamanitra ho anao aho.» Tafatsangana niala tamin’ny fiketrahany i Eglôna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nanatona an’i Eglona i Ehoda, raha nipetraka irery tao amin’ny efitrano ambony mangatsiatsiaka voatokana ho azy irery izy. Dia hoy i Ehoda: Misy teny avy amin’Andriamanitra holazaiko aminao. Dia nitsangana niala tamin’ny sezafiandrianana i Eglona. DIEM PROTESTANTA Ny mpanjaka tamin’izay dia nipetraka tao amin’ny efitrano fihatsiatsiahana izay natokana ho azy teo an-tampontrano. Ary nanatona azy i Ehoda ka nanao hoe: –Misy teny avy amin’Andriamanitra nentiko ho anao. Dia nitsangana niala teo amin’ny sezany ny mpanjaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny mpanjaka tamin’izay dia nipetraka tao amin’ny efitrano fihatsiatsiahana izay natokana ho azy teo an-tampontrano. Ary nanatona azy i Ehoda ka nanao hoe: –Misy teny avy amin’Andriamanitra nentiko ho anao. Dia nitsangana niala teo amin’ny sezany ny mpanjaka. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Ehoda nanatona azy, raha nipetraka irery tao an-tilikambony fihatsiatsiahana izy. Dia hoy Ehoda: Misy teny avy amin’Andriamanitra holazaiko aminao. Dia nitsangana niala tamin’ny seza fiandrianana Eglona. Malagasy Bible Ary Ehoda nanatona azy, raha nipetraka irery tao an-tilikambony fihatsiatsiahana izy. Dia hoy Ehoda: Misy teny avy amin'Andriamanitra holazaiko aminao. Dia nitsangana niala tamin'ny seza fiandrianana Eglona. La Bible en Malgache Ary nanatona an’i Eglona i Ehoda, raha nipetraka irery tao amin’ny efitrano ambony mangatsiatsiaka voatokana ho azy irery izy. Dia hoy i Ehoda: Misy teny avy amin’Andriamanitra holazaiko aminao. Dia nitsangana niala tamin’ny sezafiandrianana i Eglona. |
«Mandehana lazao amin’i Davida manao hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Zavatra telo no apetrako eo anoloanao, ka fidio izay iray hataoko aminao.»
Dia nosokafan’i Esdrasa teo imason’ny vahoaka rehetra ny boky, fa tafasondrotra ambonin’ny vahoaka rehetra izy, ary rehefa nosokafany dia nitsangana ny vahoaka rehetra.
Salamon’i Davida. Manomeza an’i Iaveh, ry zanak’Andriamanitra, manomeza voninahitra sy fahefana ho an’i Iaveh!
Zovy no tsy hatahotra Anao; ry mpanjakan’ny firenena ô, Ianao tsy maintsy atahorana. Fa amin’ny hendry rehetra eo amin’ny firenena, sy eo amin’ny fanjakany rehetra, tsy misy tahaka Anao.
Ny mpanjaka izany nipetraka tao an’efitrano ririnina tamin’ny volana fahasivy; ary voarehitra afo teo anoloany ny fatana.
Hasiako ny trano ririnina aman-trano fahavaratra; hosimbana ny trano ivoara ary horavàna ny trano maro - teny marin’i Iaveh. -
Miantso mafy miteny amin’ny tanàna ny feon’i Iaveh - ary fahendrena kosa ny manaja ny Anaranao: - Mihainoa ianareo, ny tsora-kazo, mbamin’izay nandidy azy!
Ary i Balaama nilaza ny lahateniny ka nanao hoe: «Mitsangàna, ry Balàka, ka mihainoa, Mampandria sofina, ry zanak’i Sefôra:
fa izy kosa dia niverina, avy hatreo amin’ilay sampy vato akaikin’i Galgalà ka nanao hoe: «Ry mpanjaka ô, misy zavatra tsy ambara telo holazaiko aminao.» Ka hoy ny mpanjaka: «Mangina!» Dia nivoaka avokoa izay olona rehetra tao aminy.
Dia naninjitra ny tanany havia i Aoda tamin’izay, nanatsoaka ny sabatra teny amin’ny andilany havanana, ary notrabarany tamin’io ny kibony;