Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 3:19 - Baiboly Katolika

fa izy kosa dia niverina, avy hatreo amin’ilay sampy vato akaikin’i Galgalà ka nanao hoe: «Ry mpanjaka ô, misy zavatra tsy ambara telo holazaiko aminao.» Ka hoy ny mpanjaka: «Mangina!» Dia nivoaka avokoa izay olona rehetra tao aminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa izy kosa, rehefa tonga teo amin’ireo sampy vato tany Gilgala, dia niverina ka niteny hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka ô. Dia hoy ny mpanjaka: Mangìna ianareo! Dia lasa nivoaka ireo rehetra nijoro teo akaikiny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Kanjo nony efa tonga teo akaikin’ny tsangambaton-tsampy tao Gilgala i Ehoda, dia niverina ka nilaza tamin’i Heglôna hoe: –Misy hafatra miafina holazaiko aminao, ry mpanjaka ô. Dia nandidy ny mpanompony teo ny mpanjaka mba hamela azy mitokana; koa nivoaka ny trano izy rehetra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Kanjo nony efa tonga teo akaikin’ny tsangambaton-tsampy tao Gilgala i Ehoda, dia niverina ka nilaza tamin’i Heglôna hoe: –Misy hafatra miafina holazaiko aminao, ry mpanjaka ô. Dia nandidy ny mpanompony teo ny mpanjaka mba hamela azy mitokana; koa nivoaka ny trano izy rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa nony tonga teo amin’ny fihadiam-bato izay any Gilgala kosa izy, dia niverina ka nanao hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka ô. Dia hoy kosa izy: Mialà kely hianareo, rizareo. Ary izay rehetra nitsangana teo anoloany dia niala teo aminy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa nony tonga teo amin'ny fihadiam-bato izay any Gilgala kosa izy, dia niverina ka nanao hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka ô. Dia hoy kosa izy: Mialà kely ianareo, rizareo. Ary izay rehetra nitsangana teo anoloany dia niala teo aminy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa izy kosa, rehefa tonga teo amin’ireo sampy vato tany Gilgala, dia niverina ka niteny hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka ô. Dia hoy ny mpanjaka: Mangìna ianareo! Dia lasa nivoaka ireo rehetra nijoro teo akaikiny.

Jereo ny toko



Mpitsara 3:19
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia tsy nahatsindry fo intsony i Josefa teo anatrehan’izay rehetra teo, ka niantso hoe: «Avoahy avokoa ny olona rehetra!» Ary tsy nisy olona tafajanona intsony teo aminy, raha nitonona anarana tamin’ireo rahalahiny izy.


raha efa izany, noraisiny ny lapoaly, dia noloarany teo anoloany. Tsy nety nihinana anefa izy. Dia hoy i Amnôna: «Asaovy mivoaka hiala eto amiko ny olona rehetra.» Nony tafavoaka niala tao aminy daholo ny olona,


Nampahatezitra Azy, tamin’ny fitoerana avony; nampahasaro-piaro Azy, tamin’ny sampiny.


Natsangan’i Jôsoe teo Galgalà, ny vato roa ambin’ny folo nalain’izy ireo tao Jordany,


Nony vitany ny fanolorany ny fanomezana dia nalefany ny olona nitondra ny fanomezana;


Nipetraka irery tao an-tranony fakana hatsiatsiaka izy no nohatonin’i Aoda ka nataony hoe: «Manana teny avy amin’Andriamanitra ho anao aho.» Tafatsangana niala tamin’ny fiketrahany i Eglôna.