Ny Negeba, ny faritanin’i Jordany, ny lohasahan’i Jerikao; dia ny tanànan’ny rofia, hatrany Segôra.
Mpitsara 3:13 - Baiboly Katolika Nikambana tamin’ny taranak’i Amôna sy i Amaleka, i Eglôna, dia niainga nandeha. Nandresy an’i Israely izy ka nanafaka ny tanànan-drofia. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nangoniny ho eo aminy ny taranak’i Amona sy i Amaleka ary nandeha izy ka namely ny Israely dia nahazo ny Tanàna be palma. DIEM PROTESTANTA Ary i Heglôna nivondrona tamin’ny Hamônita sy ny Hamalekita ka nandeha nanafika ny Israelita, ary nahazo ny tanàna Jerikao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary i Heglôna nivondrona tamin’ny Hamônita sy ny Hamalekita ka nandeha nanafika ny Israelita, ary nahazo ny tanàna Jerikao. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nampiangona ny taranak’i Amona sy Amaleka ho any aminy izy, ary nandeha izy ireo ka namely ny Isiraely, dia nahafaka ny tanàna be rofia. Malagasy Bible Dia nampiangona ny taranak'i Amona sy Amaleka ho any aminy izy, ary nandeha izy ireo ka namely ny Isiraely, dia nahafaka ny tanàna be rofia. La Bible en Malgache Dia nangoniny ho eo aminy ny taranak’i Amona sy i Amaleka ary nandeha izy ka namely ny Israely dia nahazo ny Tanàna be palma. |
Ny Negeba, ny faritanin’i Jordany, ny lohasahan’i Jerikao; dia ny tanànan’ny rofia, hatrany Segôra.
Niara-niakatra tamin’ny taranak’i Jodà, avy any amin’ny tanànan-drofia, ny taranak’ilay Kineanina zaodahin’i Môizy, nankany amin’ny efitr’i Jodà, atsimon’i Arada: ka tonga niara-monina tamin’ny vahoaka izy.
Ary hoy i Iaveh tamin’ny zanak’i Israely: «Moa tsy efa nanafaka anareo va Aho, tamin’ny Ejiptianina sy ny Amôreana ary ny taranak’i Amôna, mbamin’ny Filistinina?
Raha nampahorin’ny Sidonianina sy i Amaleka ary i Madiàna koa ianareo, ka nitaraina tamiko, moa tsy efa namonjy anareo tamin’ny tanany va Aho?
Ny taranak’i Amôna nita an’i Jordany hamely an’i Jodà sy i Benjamina mbamin’ny taranak’i Efraima ka dia tra-pahoriana mafy i Israely.
Dia nanompo an’i Eglôna mpanjakan’i Moaba, valo ambin’ny folo taona ny zanak’i Israely.
Avy any amin’i Efraima ny olona izay mandatsa-paka amin’i Amaleka; nikambana tamin’ny antokonao i Benjamina teo aorianao; avy any amin’i Makira nisy lehibe nidina, avy any amin’i Zabolôna nisy mpitondra nitana ny tehin’ny mpanoratra.
Rehefa namafy voa i Israely, dia niakatra i Madiàna mbamin’i Amaleka ary ny zanaky ny Atsinanana, ka nanafika azy.