Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 21:18 - Baiboly Katolika

Fa isika tsy mahazo manome amin’ny zanatsika ho vadin’izy ireo», satria efa nianiana ny zanak’i Israely nanao hoe: «Ho voaozona anie izay manome ny zanany vavy ho vadin’ny Benjaminita.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nefa isika dia tsy mahazo manome azy ny zanatsika vavy ho vadiny satria efa nianiana ny Zanak’Israely hoe: Ho voaozona izay manome vady ho an’ny Benjamina.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Kanefa tsy azontsika atao ny mamela azy ireo hanambady ny zanatsika vavy, satria efa nianiana isika fa ho voaozona izay Israelita hanome ny zanany vavy ho vadin’ny lehilahy benjaminita.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Kanefa tsy azontsika atao ny mamela azy ireo hanambady ny zanatsika vavy, satria efa nianiana isika fa ho voaozona izay Israelita hanome ny zanany vavy ho vadin’ny lehilahy benjaminita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Nefa isika tsy mahazo manome azy ny zanakavavintsika ho vadiny, satria efa nianiana ny Zanak’Isiraely ka nanao hoe: Ho voaozona anie izay manome vady ho an’ny Benjamita.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Nefa isika tsy mahazo manome azy ny zanakavavintsika ho vadiny, satria efa nianiana ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Ho voaozona anie izay manome vady ho an'ny Benjamita.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nefa isika dia tsy mahazo manome azy ny zanatsika vavy ho vadiny satria efa nianiana ny Zanak’Israely hoe: Ho voaozona izay manome vady ho an’ny Benjamina.

Jereo ny toko



Mpitsara 21:18
4 Rohy Ifampitohizana  

Vao nahita azy i Jefte dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: «Adray, anaka, mahaketraka ahy ianao ary anisan’izay mahavery hevitra ahy, fa efa niloa-bava tamin’i Iaveh aho, ka tsy afa-mifody intsony».


Tany Masfà nianiana ny lehilahy amin’i Israely nanao hoe: «Tsy hisy hanome ny zanany vavy ho vadin’ny Benjaminita isika».


Dia hoy izy ireo: «Ny lovan’ireo afa-nandositra dia aoka ho raikitra fa an’i Benjamina ihany, mba tsy ho voafongotra amin’i Israely ny foko iray.


Ary raha tonga mitaraina aminay ny rainy na ny anadahiny dia izao no holazainay aminy: «Mba avelao ho anay izy fa tsy nahazo vady ho azy tsirairay avy izahay, tamin’ny ady. Sady tsy ianareo no nanome azy ho azy ireo, fa raha izany no meloka ianareo.»