Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 20:35 - Baiboly Katolika

Nasian’i Iaveh teo anoloan’i Israely i Benjamina, ka zato amby dimy arivo sy roa alin-dahy samy mahatan-tsabatra no matin’ny zanak’i Israely tamin’i Benjamina androtr’io.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary NY TOMPO namely an’ny Benjamina teo anoloan’Israely, ary tamin’izany andro izany i Benjamina dia nahafatesan’ny Zanak’Israely lehilahy zato sy dimy arivo sy roa alina; lehilahy nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nataon’ny TOMPO resy teo anatrehan’ny Israelita ireo Benjaminita, ka nahafatesana vatan-dehilahy miisa andiany 25 miampy 100 lahy tamin’izay andro izay, dia lehilahy kinga famely sabatra avokoa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nataon’ny TOMPO resy teo anatrehan’ny Israelita ireo Benjaminita, ka nahafatesana vatan-dehilahy miisa andiany 25 miampy 100 lahy tamin’izay andro izay, dia lehilahy kinga famely sabatra avokoa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Jehovah namely ny Benjamita teo anoloan’ny Isiraely, ary tamin’izany andro izany ny taranak’i Benjamina dia nahafatesan’ny Zanak’Isiraely zato sy dimy arivo amby roa alin-dahy; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Jehovah namely ny Benjamita teo anoloan'ny Isiraely, ary tamin'izany andro izany ny taranak'i Benjamina dia nahafatesan'ny Zanak'Isiraely zato sy dimy arivo amby roa alin-dahy; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary NY TOMPO namely an’ny Benjamina teo anoloan’Israely, ary tamin’izany andro izany i Benjamina dia nahafatesan’ny Zanak’Israely lehilahy zato sy dimy arivo sy roa alina; lehilahy nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.

Jereo ny toko



Mpitsara 20:35
5 Rohy Ifampitohizana  

dia vetivety foana no nahombiazan’ny ratsy fanahy, ary mihelina ihany ny fifalian’ny tsy mivavaka.


Nisaina tamin’izany ny taranak’i Benjamina nivoaka ny tanàna, ka enina arivo sy roa alina, samy mahatan-tsabatra, no isany, afa-tsy ny mponina tao Gabaà, fiton-jato lahy voafantina.


ka lehilahy iray alina voafantina tamin’i Israely rehetra, no tamy avy teo anoloan’i Gabaà. Mafy ny ady, ary tsy nampoizin’ny taranak’i Benjamina fa efa mananontanona azy ny loza.


Koa hitan’ny taranak’i Benjamina fa resy izy; fa ny lehilahy amin’i Israely no nihemotra teo anatrehan’i Benjamina dia noho ny fitokiany ny otrika napetrany hamely an’i Gabaà.