Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 20:2 - Baiboly Katolika

Ary ny filohan’ny vahoaka rehetra, ny fokon’i Israely rehetra, niseho teo amin’ny fiangonan’ny vahoakan’Andriamanitra, dia lehilahy efatra hetsy mandeha an-tongotra mahatan-tsabatra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ny loholona rehetra tamin’ny fokon’ny Israely dia niseho teo amin’ny fivorian’ny vahoakan’Andriamanitra, dia miaramila efatra hetsy mandeha an-tongotra sady mahatan-tsabatra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny lehibe rehetra sy ny lehilahy rehetra tao amin’ny fokon’i Israely dia tonga tao amin’io fivorian’ny vahoakan’Andriamanitra io avokoa, izany hoe vatan-dehilahy andiany efajato, samy miaramila an-tongotra sy kinga famely sabatra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny lehibe rehetra sy ny lehilahy rehetra tao amin’ny fokon’i Israely dia tonga tao amin’io fivorian’ny vahoakan’Andriamanitra io avokoa, izany hoe vatan-dehilahy andiany efajato, samy miaramila an-tongotra sy kinga famely sabatra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny loholona rehetra tamin’ny firenen’Isiraely niseho teo amin’ ny fiangonan’ny olon’Andriamanitra, dia lehilahy efatra hetsy mandeha tòngotra sady mahatan-tsabatra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny loholona rehetra tamin'ny firenen'Isiraely niseho teo amin'ny fiangonan'ny olon'Andriamanitra, dia lehilahy efatra hetsy mandeha tongotra sady mahatan-tsabatra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ny loholona rehetra tamin’ny fokon’ny Israely dia niseho teo amin’ny fivorian’ny vahoakan’Andriamanitra, dia miaramila efatra hetsy mandeha an-tongotra sady mahatan-tsabatra.

Jereo ny toko



Mpitsara 20:2
9 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ravehivavy: Nahoana ianao no nanao hevitra toy izany amin’ny vahoakan’Andriamanitra - milaza ny tenany ho diso ny mpanjaka mamoaka izany teny fitsarana izany - dia ny amin’ny tsy fampiverenan’ny mpanjaka an’ilay nataony sesitany.


Ary natolotr’i Jôaba ny mpanjaka ny boky nisy ny isam-bahoaka, ka nisy 800.000, ny lehilahy mpiantafika, mahatan-tsabatra, tamin’i Israely, ary 500.000 ny lehilahy tamin’i Jodà.


Nony hitan’ny mpanjakan’i Moaba fa tsy tantiny ny ady, dia naka fiton-jato lahy mitan-tsabatra voatsoaka homba azy izy hanavatsava hatrany amin’ny mpanjakan’i Edôma, nefa tsy afa-nanao izany izy ireo.


Nony nandre izany ny zanak’i Israely dia nivory tao Silô ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra mba hiakatra hamely azy sy hanafika azy.


Nisaina tamin’izany ny taranak’i Benjamina nivoaka ny tanàna, ka enina arivo sy roa alina, samy mahatan-tsabatra, no isany, afa-tsy ny mponina tao Gabaà, fiton-jato lahy voafantina.


Ny isan’ny lehilahy amin’i Israely afa-tsy ny Benjaminita, dia efatra hetsy, samy mahatan-tsabatra sy mpanafika avokoa.


Nandre ny taranak’i Benjamina fa hoe niakatra any Masfà ny zanak’i Israely. Ary hoy ny zanak’i Israely: «Mitenena, nanao ahoana no nanaovana izao heloka izao?»


Tany Karkôra i Zebea sy i Salmanà mbamin’ny tafiny niaraka taminy, dia lehilahy tokony ho dimy arivo sy iray alina, izay rehetra sisa tamin’ny foloalindahin’ny zanaky ny Atsinanana manontolo, fa maty ny lehilahy roa alina sy iray hetsy samy mpitan-tsabatra avokoa.


Notsapain’i Saola tamin’ny matso ny toetrany tany Bezeka, ka telo hetsy no isan’ny zanak’i Israely, ary telo alina ny lehilahy amin’i Jodà.