Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 20:15 - Baiboly Katolika

Nisaina tamin’izany ny taranak’i Benjamina nivoaka ny tanàna, ka enina arivo sy roa alina, samy mahatan-tsabatra, no isany, afa-tsy ny mponina tao Gabaà, fiton-jato lahy voafantina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia voalamina tamin’izany andro izany ny taranak’i Benjamina avy tamin’ireo tanàna ireo ka enina arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra, afa-tsy ny mponina tao Gibea izay voalamina, dia fitonjato lahy voafantina.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tamin’izany andro izany dia natao fanisana ny Benjaminita avy amin’ny tanàna manodidina, ka andiany 26 ny vatan-dehilahy kinga famely sabatra, afa-tsy ireo mponin’i Gibehà izay nanao fanisa-miaramila koa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’izany andro izany dia natao fanisana ny Benjaminita avy amin’ny tanàna manodidina, ka andiany 26 ny vatan-dehilahy kinga famely sabatra, afa-tsy ireo mponin’i Gibehà izay nanao fanisa-miaramila koa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia voalamina tamin’izany andro izany ny taranak’i Benjamina avy tamin’ireo tanàna ireo, ka enina arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra, afa-tsy ny mponina tao Gibea izay voalamina, dia fiton-jato lahy voafantina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia voalamina tamin'izany andro izany ny taranak'i Benjamina avy tamin'ireo tanàna ireo, ka enina arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra, afa-tsy ny mponina tao Gibea izay voalamina, dia fiton-jato lahy voafantina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia voalamina tamin’izany andro izany ny taranak’i Benjamina avy tamin’ireo tanàna ireo ka enina arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra, afa-tsy ny mponina tao Gibea izay voalamina, dia fitonjato lahy voafantina.

Jereo ny toko



Mpitsara 20:15
9 Rohy Ifampitohizana  

Ny terak’i Benjamina, ny taranak’ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rehefa nisaina ny anarany hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana,


dia nisy 35.400 no voasoratra ho isan’ny fokon’i Benjamina.


ary 35.400 ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa.


ireo no zanak’i Benjamina, araka ny fokony avy, ary 45.600, ny voaisa amin’izy ireo.


Koa nivoaka ny tanànany ny taranak’i Benjamina ka nivory tao Gabaà mba hiady amin’ny zanak’i Israely.


Nohamafisin’ny vahoaka, dia ny lehilahy amin’i Israely anefa, ny herim-pony ka nilahatra hiady teo amin’ny fitoerana nilaharany tamin’ny andro voalohany indray izy.


Ka nivoaka avy ao Gabaà hamely azy ny taranak’i Benjamina tamin’io andro faharoa io, ary lehilahy valo arivo sy iray alina, samy mahatan-tsabatra tamin’ny zanak’i Israely no nataony maty niampatra tamin’ny tany indray.


Nasian’i Iaveh teo anoloan’i Israely i Benjamina, ka zato amby dimy arivo sy roa alin-dahy samy mahatan-tsabatra no matin’ny zanak’i Israely tamin’i Benjamina androtr’io.