Nasain’i Jerôbôama nandeha nisafelika ireo nanao otrika mba handrosoany avy any aoriana hamely ny fahavalony, ka ny antokony notarihiny moa, teo anoloan’i Jodà, ny otrika teo ivohony.
Mpitsara 20:14 - Baiboly Katolika Koa nivoaka ny tanànany ny taranak’i Benjamina ka nivory tao Gabaà mba hiady amin’ny zanak’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nivory avy tamin’ny tanànany rehetra ny taranak’i Benjamina hankany Gibea mba handeha hiady amin’ny Zanak’Israely. DIEM PROTESTANTA Fa tonga avy any amin’ny tanàna samihafa izy ireo ka vory tao Gibehà mba hiady amin’ny Israelita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa tonga avy any amin’ny tanàna samihafa izy ireo ka vory tao Gibehà mba hiady amin’ny Israelita. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nivory ny taranak’i Benjamina avy tamin’ny tanànany rehetra hankany Gibea mba handeha hiady amin’ny Zanak’Isiraely. Malagasy Bible Ary nivory ny taranak'i Benjamina avy tamin'ny tanànany rehetra hankany Gibea mba handeha hiady amin'ny Zanak'Isiraely. La Bible en Malgache Ary nivory avy tamin’ny tanànany rehetra ny taranak’i Benjamina hankany Gibea mba handeha hiady amin’ny Zanak’Israely. |
Nasain’i Jerôbôama nandeha nisafelika ireo nanao otrika mba handrosoany avy any aoriana hamely ny fahavalony, ka ny antokony notarihiny moa, teo anoloan’i Jodà, ny otrika teo ivohony.
Hoy ny navaliny: «Tsy handalo ianao» sady nivoaka hitsena azy i Edôma, nombam-bahoaka be sy tafika mahery.
Tsy navelan’i Sehôna handalo ny faritaniny i Israely, fa nanangona ny vahoakany rehetra izy, ka nivoaka hitsena an’i Israely, tany an’efitra; dia tonga tany Jasà ary rafitra ady tamin’i Israely.
Koa ankehitriny, atolory anay ireo olona ratsy fanahy ao Gabaà ireo, hamonoanay azy sy hanesoranay ny ratsy eo afovoan’i Israely.» Tsy nety nihaino ny feon’ny zanak’i Israely rahalahiny anefa ny Benjaminita.
Nisaina tamin’izany ny taranak’i Benjamina nivoaka ny tanàna, ka enina arivo sy roa alina, samy mahatan-tsabatra, no isany, afa-tsy ny mponina tao Gabaà, fiton-jato lahy voafantina.