Nirehitra tamin’i Israely indray ny fahatezeran’i Iaveh, ka namporisihiny hamely azy ireo i Davida nataony hoe: «Mandehana isao i Israely sy i Jodà.»
Mpitsara 2:20 - Baiboly Katolika Tamin’izany dia nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh ka hoy izy: «Noho ity firenena ity nivadika tamin’ny fanekena nandidiako ny razany ary noho izy ireo tsy nihaino ny feoko, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’NY TOMPO ka hoy Izy: Satria nivadika tamin’ny fanekeko izay nandidiako ny razany ity firenena ity ka tsy nihaino ny feoko, DIEM PROTESTANTA Nirehi-pahatezerana tamin’ny Israelita ny TOMPO, ka niteny azy hoe: –Ity firenena ity dia nandika ny fanekempihavanana izay nandidiako ny razany, fa tsy nankatò Ahy; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nirehi-pahatezerana tamin’ny Israelita ny TOMPO, ka niteny azy hoe: –Ity firenena ity dia nandika ny fanekempihavanana izay nandidiako ny razany, fa tsy nankatò Ahy; Baiboly Protestanta Malagasy Dia nirehitra tamin’ny Isiraely ny fahatezeran’i Jehovah, ka hoy Izy: Satria nivadika ny fanekeko izay nandidiako ny razany ity firenena ity ka tsy nihaino ny feoko, Malagasy Bible Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka hoy Izy: Satria nivadika ny fanekeko izay nandidiako ny razany ity firenena ity ka tsy nihaino ny feoko, La Bible en Malgache Dia nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’NY TOMPO ka hoy Izy: Satria nivadika tamin’ny fanekeko izay nandidiako ny razany ity firenena ity ka tsy nihaino ny feoko, |
Nirehitra tamin’i Israely indray ny fahatezeran’i Iaveh, ka namporisihiny hamely azy ireo i Davida nataony hoe: «Mandehana isao i Israely sy i Jodà.»
Dia nirehitra tamin’ny vahoakany ny fahatezeran’i Iaveh, ary tonga tsy tiany mainty ny lovany.
ka tsy fanekena toy ny nataoko tamin’ny razany, tamin’ny andro nitantanako azy, nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta, fanekena nivadihan’izy ireo, na dia vadiny aza Aho.
Hampandehaniko eo ambany tehi-mpiandry ondry ianareo; ary hampanekeko ny fitsipiky ny fanekena ianareo.
Nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh ka nataony nirenireny tany an’efitra izy ireo nandritra ny efapolo taona mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imason’i Iaveh.
Fa nirehitra ny afon’ny fahatezerako, ka mandoro ny fonenan’ny maty hatrany amin’ny faran’ny ambany, mandevona ny tany amam-bokatra eo aminy, mandrehitra ny tendrombohitra hatramin’ny fotony.
Raha mandika ny faneken’i Iaveh Andriamanitrareo izay nandidiany anareo ianareo ka mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anoloan’ireny dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’i Iaveh, ka vetivety dia ho lany ringana tsy ho eo amin’ny tany soa nomeny anareo ianareo.
Dia nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh ka namidiny ho eo an-tanan’ny Filistinina izy, sy ho eo an-tanan’ny taranak’i Amôna.
Dia nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh ka natolony ho eo an-tanan’ny fahavalony manodidina azy izy, ary tsy nahatanty ny fahavalony intsony.
Rehefa maty anefa ny mpitsara dia nihasimba indray izy mihoatra noho ny razany indray aza, ka lasa nanaraka andriamani-kafa mba hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, fa tsy niala amin’ny hadisoany amam-pikiribibiany.
ka nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh; namidiny ho eo an-tanan’i Kozana-Rasataîma mpanjakan’i Mesôpôtamia izy, dia nanompo an’i Kozana-Rasataîma valo taona ny zanak’i Israely.