Ary i Adama nahalala an’i Eva vadiny, ka nanana anaka izy, dia niteraka an’i Kaina, sy nanao hoe: «Efa nampisy olona anankiray aho tamin’ny fanampian’i Iaveh.»
Mpitsara 19:25 - Baiboly Katolika Tsy nety nihaino azy akory anefa ireo lehilahy ireo. Tamin’izay dia nalain-dralehilahy ny vady tsindranony, nentiny nivoaka tany amin’izy ireo. Nahalala azy izy ireo sy nanao an-keriny taminy mandritra ny alina, mandra-paharainan’ny andro; ary nony efa hiposaka ny masoandro vao nalefany handeha izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsy nety nihaino azy anefa ireo lehilahy ireo ka nalain-dRalehilahy ilay vady tsindranony ka navoakany ho eo amin’ireo teo alatrano. Dia nandry taminy sy nanao ditra taminy ireo mandritra ny alina mandra-paharain’ny andro. Rehefa hiposaka ny masoandro vao nalefany handeha izy. DIEM PROTESTANTA Tsy nety nihaino anefa ireo faikan’olona ireo, koa navoakan’ilay levita hankao ivelany ny vadikeliny. Ary ireo dia nanolana an-dravehivavy ka nanaram-po taminy nandritra ny alina manontolo, ary tsy namela azy raha tsy efa nangiran-dratsy ny andro. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy nety nihaino anefa ireo faikan’olona ireo, koa navoakan’ilay levita hankao ivelany ny vadikeliny. Ary ireo dia nanolana an-dravehivavy ka nanaram-po taminy nandritra ny alina manontolo, ary tsy namela azy raha tsy efa nangiran-dratsy ny andro. Baiboly Protestanta Malagasy Fa tsy nety nihaino azy ireo lehilahy ireo, ka dia nalain-dralehilahy ilay vaditsindrano ka navoakany taminy teo ala-trano; dia nahalala azy ireo ka nanao ditra taminy mandritra ny alina mandra-pahamarain’ny andro; ary rehefa hiposaka ny masoandro, vao nalefany handeha izy. Malagasy Bible Fa tsy nety nihaino azy ireo lehilahy ireo, ka dia nalain-dralehilahy ilay vaditsindrano ka navoakany taminy teo ala-trano; dia nahalala azy ireo ka nanao ditra taminy mandritra ny alina mandra-pahamarain'ny andro; ary rehefa hiposaka ny masoandro, vao nalefany handeha izy. La Bible en Malgache Tsy nety nihaino azy anefa ireo lehilahy ireo ka nalain-dRalehilahy ilay vady tsindranony ka navoakany ho eo amin’ireo teo alatrano. Dia nandry taminy sy nanao ditra taminy ireo mandritra ny alina mandra-paharain’ny andro. Rehefa hiposaka ny masoandro vao nalefany handeha izy. |
Ary i Adama nahalala an’i Eva vadiny, ka nanana anaka izy, dia niteraka an’i Kaina, sy nanao hoe: «Efa nampisy olona anankiray aho tamin’ny fanampian’i Iaveh.»
Efa nanota hatramin’ny andro, fony tany Gabaà, ianao, ry Israely; mikiribiby aman-keloka izy ireo. Moa tsy hahatratra azy ireo koa any Gabaà ny ady voalaza hatao amin’ny zanaky ny faharatsiana?
Simba hatrany am-potony izy ireo, toy ny tamin’ny andron’i Gabaà; hotsarovan’i Iaveh ny helony, ary hovaliany ny fahotany.
ka lany henatra dia navarin’ny filàn-dratsiny tamin’ny fijejojejoana amam-pahalotoana rehetra.
Indro ny zanako vavy mbola virjiny sy ny vady tsindranon-dralehilahy; hoentiko mivoaka izy ireo, dia anaovy an-keriny, sy ataovy aminy araka izay sitrakareo, fa aza manao izany zavatra mahafa-baraka izany amin’io lehilahy io».
Nony efa haraina ny andro dia tonga ravehivavy ka lavo teo am-baravaran’ny tranon’ilay lehilahy nisy ny vadiny, ka teo izy mandra-pahazavan’ny andro.
Ary nitsangana hamely ahy ny mponina tao Gabaà; ny trano nisy ahy nohodidininy nandritra ny alina; ny tenako nokendreny hovonoina, ny vaditsindranoko nanaovany an-keriny, ka maty.