Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 19:19 - Baiboly Katolika

Anananay anefa ny mololo amam-bilona ho an’ny ampondranay, ny mofo aman-divay ho ahy sy ny ankizy vavinao ary ny zatovo miaraka amin’ny mpanomponao, fa tsy mila na inona na inona izahay».

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Misy mololo sy hanina ihany anefa ho an’ny borikinay sady misy mofo sy divay ho ahy sy ny mpanompovavinao ary ho an’ny zatovo miaraka amin’ny mpanomponao. Tsy misy zavatra ilainay intsony.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

kanefa izahay manana mololo sy vilona ihany ho an’ny borikinay, sady misy mofo sy divay koa ho ahy sy ny vadiko ary ny zatovoko, ka tsy misy zavatra ilainay intsony.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

kanefa izahay manana mololo sy vilona ihany ho an’ny borikinay, sady misy mofo sy divay koa ho ahy sy ny vadiko ary ny zatovoko, ka tsy misy zavatra ilainay intsony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

kanefa misy mololo sy hanina ihany ho an’ny borikinay, sady misy mofo sy divay ho ahy sy ny ankizivavinao ary ho an’ny zatovo manaraka ny mpanomponao: tsy misy zavatra ilainay intsony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

kanefa misy mololo sy hanina ihany ho an'ny borikinay, sady misy mofo sy divay ho ahy sy ny ankizivavinao ary ho an'ny zatovo manaraka ny mpanomponao: tsy misy zavatra ilainay intsony.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Misy mololo sy hanina ihany anefa ho an’ny borikinay sady misy mofo sy divay ho ahy sy ny mpanompovavinao ary ho an’ny zatovo miaraka amin’ny mpanomponao. Tsy misy zavatra ilainay intsony.

Jereo ny toko



Mpitsara 19:19
6 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy koa izy: «Na ny mololo na ny vilona dia samy betsaka ao aminay; sady ny mololo handriana koa dia misy ao.»


«Aza omena mololo hanaovam-biriky toy izay lasa izay intsony ny vahoaka, fa aoka ny tenan’izy ireo no handeha hanangona mololo.


Dia nampiantrano azy mba handry ao i Piera. Nony ampitso, dia niainga niaraka tamin’izy ireo izy mbamin’ny rahalahy sasany tao Jôpe.


Ary rehefa vita Batemy izy mbamin’ny ankohonany, dia nangataka taminay izy nanao hoe: «Raha mba ataonareo ho mpanompon’Andriamanitra koa aho, dia midira ao an-tranoko ka mitoera ao.» Nanaovany lemozy mihitsy izahay.


Efa hariva ny andro no tonga tao akaikin’i Jerosalema izy ireo; ka hoy ilay mpanompony tamin’ity tompolahiny: «Raha sitrakao, handeha isika hivily ho amin’ity tanànan’ny Jeboseanina ity, dia handry eo».


Ary hoy ny navaliny azy: «Avy any Betlehema any Jodà izahay, ka ho any amin’ny sisin’ny tendrombohitr’i Efraima izay tany niaviako. Tany Betlehema any Jodà aho, ary ho any an-tranon’i Iaveh, nefa tsy mba misy olona mampiantrano ahy akory.