Hoy izy: «Ry Agara, mpanompovavin’i Saray, avy aiza ianao ary ho aiza?» Hoy ny navaliny: «Mandositra lavitra an’i Saray tompovaviko aho.»
Mpitsara 19:17 - Baiboly Katolika Nanopy ny masony izy, ka nahita ilay mpivahiny teo an-kianjan’ny tanàna; ka hoy ny anti-dahy taminy nanao hoe: «Ho aiza ianao ary avy aiza?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa nanopy ny masony ilay lahiantitra ka nahita ilay vahiny teo an-kianjan’ny tanàna dia niteny hoe: Hankaiza moa ianao? Ary avy taiza? DIEM PROTESTANTA Nahatsikaritra ity vahiny miandry eo an-kianja ilay lahiantitra ka nanontany azy hoe: –Avy aiza ary ho aiza izato ianao? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nahatsikaritra ity vahiny miandry eo an-kianja ilay lahiantitra ka nanontany azy hoe: –Avy aiza ary ho aiza izato ianao? Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa nanopy ny masony izy ka nahita ilay vahiny teo an-kianjan’ny tanàna, dia hoy ilay lehilahy anti-panahy: Hankaiza moa hianao? ary avy taiza? Malagasy Bible Ary rehefa nanopy ny masony izy ka nahita ilay vahiny teo an-kianjan'ny tanana, dia hoy ilay lehilahy anti-panahy: Hankaiza moa ianao? Ary avy taiza? La Bible en Malgache Rehefa nanopy ny masony ilay lahiantitra ka nahita ilay vahiny teo an-kianjan’ny tanàna dia niteny hoe: Hankaiza moa ianao? Ary avy taiza? |
Hoy izy: «Ry Agara, mpanompovavin’i Saray, avy aiza ianao ary ho aiza?» Hoy ny navaliny: «Mandositra lavitra an’i Saray tompovaviko aho.»
Ary izao no teny nomeny ny voalohany: «Rehefa hifanena aminao i Esao rahalahiko, ka hanontany anao hoe: ‹An’iza ianao, ary ho aiza? Ary an’iza ity andiam-biby fiompy alohanao?›
Nanam-bahiny kosa ilay mpanan-karena, nefa tsy nety naka tamin’ny ondriny na ny ombiny izy hanamboatra sakafo ho an’ilay vahiny tonga tao aminy; fa ny ondrivavin’ilay mahantra no nalainy sy namboariny, ho an’ilay olona tonga tao aminy.»
Ny arabe maty, ny lalana tsy misy mpandeha. Ny fanekena nivadihany; ny tanàna nafokainy; ny olona tsy hajainy.
Ianao ilay fanantenan’i Israely, sy mpanafaka azy amin’ny andro fahoriana, nahoana no dia tahaka ny vahiny amin’ny tany, sy tahaka ny mpandeha manorin-day handry amin’ny alina?
Kanjo kosa, inty nisy anti-dahy anankiray nody hariva avy niasa tany an-tsaha; lehilahy avy amin’ny tendrombohitra Efraima izy fa nitoetra tao Gabaà, ary ny mponina ao amin’io fitoerana io dia Benjaminita.
Ary hoy ny navaliny azy: «Avy any Betlehema any Jodà izahay, ka ho any amin’ny sisin’ny tendrombohitr’i Efraima izay tany niaviako. Tany Betlehema any Jodà aho, ary ho any an-tranon’i Iaveh, nefa tsy mba misy olona mampiantrano ahy akory.