Fa noana Aho nomenareo hanina, nangetaheta Aho, nomenareo hosotroina, nivahiny Aho nampiantranoinareo,
Mpitsara 19:15 - Baiboly Katolika Ka dia nivily ho any izy, mba handry ao Gabaà. Nony tafiditra ity Levita, dia nijanona teo amin’ny kianjan’ny tanàna, ary tsy nisy olona nampiantrano azy handry any aminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nivily lalana ho any Gibea izy mba handeha handry ao. Niditra izy dia nipetraka teo amin’ny kianjan’ny tanàna nefa tsy nisy olona nampiantrano azy mba handriany amin’ny alina. DIEM PROTESTANTA Dia nivily tao Gibehà izy mba handry tao. Niditra ny tanàna izy ka nipetraka teo an-kianja, nefa tsy nisy olona nampiantrano azy handry. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nivily tao Gibehà izy mba handry tao. Niditra ny tanàna izy ka nipetraka teo an-kianja, nefa tsy nisy olona nampiantrano azy handry. Baiboly Protestanta Malagasy Ka dia nivily teo izy handeha handry any Gibea; ary niakatra izy ka nipetraka teo amin’ny kianjan’ny tanàna; fa tsy nisy olona nampiantrano azy handry tao an-tranony. Malagasy Bible Ka dia nivily teo izy handeha handry any Gibea; ary niakatra izy ka nipetraka teo amin'ny kianjan'ny tanàna; fa tsy nisy olona nampiantrano azy handry tao an-tranony. La Bible en Malgache Dia nivily lalana ho any Gibea izy mba handeha handry ao. Niditra izy dia nipetraka teo amin’ny kianjan’ny tanàna nefa tsy nisy olona nampiantrano azy mba handriany amin’ny alina. |
Fa noana Aho nomenareo hanina, nangetaheta Aho, nomenareo hosotroina, nivahiny Aho nampiantranoinareo,
nivahiny Aho tsy nampiantranoinareo, tsy nitafy Aho tsy notafianareo, narary Aho sy tany an-tranomaizina, tsy novangianareo.
Ary aza manadino ny fandraisam-bahiny, fa ny sasany nanaraka izany dia efa nisy nampiantrano Anjely, nefa tsy nahalala azy.
Koa notohizany ny dia, ary efa nilentika ny masoandro no eny akaikin’i Gabaà, izay an’i Benjamina, izy.
Kanjo kosa, inty nisy anti-dahy anankiray nody hariva avy niasa tany an-tsaha; lehilahy avy amin’ny tendrombohitra Efraima izy fa nitoetra tao Gabaà, ary ny mponina ao amin’io fitoerana io dia Benjaminita.
Ary hoy ny navaliny azy: «Avy any Betlehema any Jodà izahay, ka ho any amin’ny sisin’ny tendrombohitr’i Efraima izay tany niaviako. Tany Betlehema any Jodà aho, ary ho any an-tranon’i Iaveh, nefa tsy mba misy olona mampiantrano ahy akory.
Dia ilay Levita vadin-dravehivavy novonoina no niteny ka nanao hoe: «Niditra handry tany Gabaà, any Benjamina, izaho sy ny vaditsindranoko.