Nihoatra ny hadilalana izy ireo, nitoby tao Gabà tamin’ny alina; raiki-tahotra mafy i Ramà, vaky nandositra i Gabaan’i Saola.
Mpitsara 19:13 - Baiboly Katolika Dia hoy koa izy tamin’ny mpanompony: «Andeha ataovy izay hahatrarantsika ny iray amin’ireto tanàna ireto, dia i Gabaà na i Ramà; any isika no handry». Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy ihany izy tamin’ny zatovony: Andeha isika hizotra hakamin’ny iray amin’irerỳ tanàna irerỳ, dia i Gibea na i Rama, ka handry any. DIEM PROTESTANTA Ary hoy koa izy tamin’ny zatovony: –Aoka isika hanatratra an’i Gibehà na Ramà, ka ny iray amin’ireo toerana ireo no handriantsika anio alina! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy koa izy tamin’ny zatovony: –Aoka isika hanatratra an’i Gibehà na Ramà, ka ny iray amin’ireo toerana ireo no handriantsika anio alina! Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy izy tamin’ny zatovony: Andeha isika hankamin’ny anankiray amin’ireto tanàna ireto, dia any Gibea, na any Rama, ka handry any. Malagasy Bible Ary hoy izy tamin'ny zatovony: Andeha isika hankamin'ny anankiray amin'ireto tanàna ireto, dia any Gibea, na any Rama, ka handry any. La Bible en Malgache Hoy ihany izy tamin’ny zatovony: Andeha isika hizotra hakamin’ny iray amin’irerỳ tanàna irerỳ, dia i Gibea na i Rama, ka handry any. |
Nihoatra ny hadilalana izy ireo, nitoby tao Gabà tamin’ny alina; raiki-tahotra mafy i Ramà, vaky nandositra i Gabaan’i Saola.
Tsofy ao Gabaà ny anjomara; ary ao Ramà ny trômpetra; miantsoa vonjy taitra ao Betavena! Mitandrema ianao, ry Benjamina!
i Selà, i Elefa, i Jebosy, dia i Jerosalema izany, i Gabaata ary i Kariata: tanàna 14, sy ny zana-bohiny.
Fa hoy ny tompony namaly hoe: «Tsy hivily amin’izay tanànan’olon-kafa firenena tsy misy zanak’i Israely isika, fa handroso ihany ho any Gabaà».
Koa notohizany ny dia, ary efa nilentika ny masoandro no eny akaikin’i Gabaà, izay an’i Benjamina, izy.
I Saola koa nandeha nody ho any an-tranony, any Gabaà, notronin’olona mahery fo, izay nohetsehin’i Iaveh ny fony. Fa ny olon’i Beliala kosa dia nanao hoe: «Dia iny ve no hamonjy antsika?» sady naneso azy izy no nitondra fanatitra ho azy, nefa tsy nasian’i Saola raharaha akory izany.