Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 18:6 - Baiboly Katolika

Dia hoy ny mpisorona namaly azy: «Mandehana amim-piadanana, fa tsinjovin’i mason’i Iaveh izao dia ataonareo izao».

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hoy ilay mpisorona taminy: Mandehana amin’ny fiadanana; fa eo anatrehan’NY TOMPO izao lalana alehanareo izao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia hoy ilay mpisorona taminy: –Mandehana ombàm-piadanana, fa miahy anareo ny TOMPO amin’izao dianareo izao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia hoy ilay mpisorona taminy: –Mandehana ombàm-piadanana, fa miahy anareo ny TOMPO amin’izao dianareo izao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy ilay mpisorona taminy: Mandehana soa aman-tsara; fa eo anatrehan’i Jehovah izao làlana alehanareo izao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy ilay mpisorona taminy: Mandehana soa aman-tsara; fa eo anatrehan'i Jehovah izao lalana alehanareo izao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hoy ilay mpisorona taminy: Mandehana amin’ny fiadanana; fa eo anatrehan’NY TOMPO izao lalana alehanareo izao.

Jereo ny toko



Mpitsara 18:6
12 Rohy Ifampitohizana  

Ny mpaminany rehetra koa naminany torak’izany, ka nanao hoe: «Miakara any Ramôta any Galaada, ka maharese, satria hatolotr’i Iaveh eo an-tanan’ny mpanjaka izany.»


Nony tonga teo amin’ny mpanjaka izy, dia hoy ny mpanjaka taminy: «Handeha hanafika an’i Ramôta any Galaada va isika, ry Mikea, sa tokony hijanona kosa?» Ary hoy ny navaliny azy: «Mandehana, maharese, fa hatolotr’i Iaveh eo an-tanan’ny mpanjaka izany!»


Dia novorin’ny mpanjakan’i Israely ny mpaminany tokony ho 400 lahy, ka hoy izy tamin’izy ireo: «Handeha hamely an’i Ramôta any Galaada va aho, sa tokony hijanona?» Ka hoy ny navalin’ireo: «Mandehana fa atolotry ny Tompo eo an-tanan’ny mpanjaka izany.»


Ny mason’i Iaveh mitsinjo izay matahotra Azy, dia ireo manantena ny hatsaram-pony,


Dia lasa i Môizy. Nony tafaverina tany amin’i Jetrô rafozany izy, dia hoy izy taminy: «Masìna ianao, avelao kely aho hiverina any amin’ireo rahalahiko any Ejipta, mba hizaha raha mbola velona ihany izy.» Ary hoy i Jetrô tamin’i Môizy: «Mandehana amim-piadanana.»


Indro hiaviako ireo izay maminany nofy lainga, - teny marin’i Iaveh, - izay milaza izany, mampaniasia ny vahoakako, amin’ny laingany sy ny antsanga tsy aman’orana ataony. Tsy naniraka azy, na nandidy na inona na inona azy akory Aho. Koa tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, - teny marin’i Iaveh. -


tany kolikolen’i Iaveh Andriamanitrao, ary tsinjovin’ny mason’i Iaveh tsy tapaka hatramin’ny voalohan’ny taona ka hatramin’ny faran’ny taona.


Enga anie ka ny Tenan’Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompontsika no hanitsy lalana anay ho atỳ aminareo;


Ary hoy ireo taminy: «Raha izany àry, anontanio kely Andriamanitra mba hahalalanay raha ho tsara ny dianay».


Nony nandeha izy dimy lahy, ka tonga tany Laïsa dia hitan’izy ireo ny mponina tao amin’izany tanàna izany fa nonina tsy amin’ahiahy, manaraka ny fomban’ny Sidonianina, nandry fahizay tamim-piadanana, ary tsy nisy olona tamin’ny taniny nanam-pahefana nampahory azy, na tamin’inona na tamin’inona; lavitra ny Sidonianina izy, ary tsy nanan-draharaha na tamin’iza na tamin’iza.


Dia niteny indray i Helì ka hoy izy: «Mandehana amim-piadanana, ary hohenoin’ny Andriamanitr’i Israely ny vavaka nataonao taminy.»