Mpitsara 18:11 - Baiboly Katolika Dia nisy enin-jato lahy, samy vonom-piadiana fanao an’ady avokoa, no niainga avy any Saraà sy Estaola, avy amin’ny fokon’i Dana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nisy niainga avy tamin’ny fianakavian’i Dana, avy tany Zora sy Estaola; eninjato lahy efa voaomana tamin’ny fiadiany. DIEM PROTESTANTA Dia niala tao Tsorehà sy Estaôla ny vatan-dehilahy eninjato avy tamin’ny fokon’i Dana sady nirongo fiadiana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niala tao Tsorehà sy Estaôla ny vatan-dehilahy eninjato avy tamin’ny fokon’i Dana sady nirongo fiadiana. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nisy niainga avy tamin’ny fokon’i Dana, avy tany Zora sy Estaola, dia enin-jato lahy efa voaomana tamin’ny fiadiany. Malagasy Bible Dia nisy niainga avy tamin'ny fokon'i Dana, avy tany Zora sy Estaola, dia enin-jato lahy efa voaomana tamin'ny fiadiany. La Bible en Malgache Dia nisy niainga avy tamin’ny fianakavian’i Dana, avy tany Zora sy Estaola; eninjato lahy efa voaomana tamin’ny fiadiany. |
Dia nanomboka nitaona azy ho any Makaneha-Dana anelanelan’i Saraà sy i Estaola ny fanahin’i Iaveh.
Rehefa tonga any dia hiditra ao amin’ny vahoaka mandry tsy amin’ahiahy ianareo. Malalaka ny tany, ary efa natolotr’Andriamanitra eo an-tananareo, ary ao amin’izany toerana izany dia hita izay rehetra mety hisy eto ambonin’ny tany.»
Niakatra ireo, dia nitoby tao Kariatiarima any Jodà, izany no niantsoana io tany io mandraka androany hoe: Makane-Dana, ka ao andrefan’i Kariatiarima no misy azy.
fa izy enin-jato lahy, samy vonom-piadiana fanao an’ady avy amin’ny fokon’i Dana, nijanona teo anoloan’ny vavahady.