Nendahiny ny teny an-kodiny, dia nentiny ny lohany amam-piadiany; raha efa izany dia nandefa iraka izy, hilaza izany zava-baovao mahafaly izany eran’ny tanin’ny Filistinina, eo anoloan’ny sampiny sy ny vahoaka rehetra.
Mpitsara 16:24 - Baiboly Katolika Nahita azy ny vahoaka ka nidera ny andriamaniny izy ireo nanao hoe: «Efa natolotry ny andriamanitsika eo an-tanantsika ilay fahavalontsika izay nanimba ny tanintsika sy nahafaty be tamintsika.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa nahita azy ny vahoaka dia nidera ny andriamaniny hoe: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika ilay fahavalontsika izay nanapotika ny tanintsika, sady nahabe maty antsika! DIEM PROTESTANTA Ary nony efa diboky ny hafaliana izy ireo, dia nitaky ny hampakana an’i Samsôna mba hanao fanalana hamohamo azy. Dia nalaina tany an-tranomaizina i Samsôna ka nanao fanalana hamohamo azy; avy eo dia natsangana teo anelanelan’ny andrin’ny tempoly izy. Ary rehefa nahita an’i Samsôna ny olona, dia nidera ny andriamaniny ka nanao hoe: –Efa natolotry ny andriamanitsika ho eto an-tanantsika ilay fahavalontsika, mpanimba ny firenentsika sy nandripaka olona maro tamintsika. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nony efa diboky ny hafaliana izy ireo, dia nitaky ny hampakana an’i Samsôna mba hanao fanalana hamohamo azy. Dia nalaina tany an-tranomaizina i Samsôna ka nanao fanalana hamohamo azy; avy eo dia natsangana teo anelanelan’ny andrin’ny tempoly izy. Ary rehefa nahita an’i Samsôna ny olona, dia nidera ny andriamaniny ka nanao hoe: –Efa natolotry ny andriamanitsika ho eto an-tanantsika ilay fahavalontsika, mpanimba ny firenentsika sy nandripaka olona maro tamintsika. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa nahita azy ny vahoaka, dia nidera ny andriamaniny ka nanao hoe: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tànantsika ilay fahavalontsika, mpanimba ny tanintsika, izay naha-be maty antsika. Malagasy Bible Ary rehefa nahita azy ny vahoaka, dia nidera ny andriamaniny ka nanao hoe: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika ilay fahavalontsika, mpanimba ny tanintsika, izay nahabe maty antsika. La Bible en Malgache Rehefa nahita azy ny vahoaka dia nidera ny andriamaniny hoe: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika ilay fahavalontsika izay nanapotika ny tanintsika, sady nahabe maty antsika! |
Nendahiny ny teny an-kodiny, dia nentiny ny lohany amam-piadiany; raha efa izany dia nandefa iraka izy, hilaza izany zava-baovao mahafaly izany eran’ny tanin’ny Filistinina, eo anoloan’ny sampiny sy ny vahoaka rehetra.
Hangaihay izay rehetra mivavaka amin’ny sarin-javatra, izay mirehareha amin’ny sampiny. Hiankohoka eo anatrehany ny andriamanitra rehetra.
Ankehitriny, Iaveh Andriamanitray ô, vonjeo amin’ny tanan’i Senakeriba izahay; ary aoka ho fantatry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany, fa Ianao irery no Iaveh.»
Nefa nanao ny ataoko Aho noho ny Anarako mba tsy ho voavetaveta izany eo imason’ireo firenena, izay nahita ny nitondrako azy nivoaka ny tany Ejipta.
Ka noho izany, izy manao sorona ho an’ny haratony, sy manatitra emboka manitra ho an’ny harato tarihiny; satria ireo no ahazoany anjara hanina matavy sy sakafo matsiro.
raha tsy noho ny tahotro ny hireharehan’ny fahavalo sy ny hahadiso hevitra ny mpandrafy azy, ka hilaza hoe: Ny tanany no nahery; fa tsy i Iaveh no nanao izany rehetra izany.
Hifaly ny mponina etỳ ambonin’ny tany noho ny amin’izy ireo; hiara-miravoravo sy hifanati-javatra izy ireo, fa nampijaly ny mponina tetỳ an-tany ireo mpaminany roa ireo.
Nony tonga tany Lekia izy, dia notsenain’ny Filistinina tamim-panakorana. Fa notsindrian’ny Fanahin’i Iaveh kosa i Samsôna tamin’izay, ka ny mahazaka tamin’ny sandriny tonga toy ny kofehy rongony main’ny afo, ary ny fatorana tamin’ny tanany nivotsotra;
Ka hoy i Samsôna hoe: «Valanoranon’ampondra iray no namazambazanako an’ireny; Valanoranon’ampondra iray no nahafatesako arivo lahy.»
Dia nasiany mafy tokoa ireo, tsy nitondrany roa; dia nidina izy ary nitoetra tao amin’ilay zohy amin’ny vatolampin’i Etama.
Nony injay efa revon-kafaliana ny fon’izy ireo, dia hoy izy: «Ampanalao i Samsôna hampilalao antsika.» Dia nalaina tany an-tranomaizina i Samsôna, ka nandihy teo anatrehan’izy ireo. Teo anelanelan’ny andry izy no napetraka.
Dia notapahiny ny lohany, nalainy ny fiadiany, ary naniraka olona izy ireo mba hiantso izany vaovao mahafaly izany eran’ny tanin’ny Filistinina rehetra, tao an-tempolin-tsampiny, sy amin’ny vahoaka.