Ny fiadian’i Saola, napetrany tao an-tranon’ny andriamaniny, ary ny karandohany nohomboany tao amin’ny tempolin’i Dagôna.
Mpitsara 16:23 - Baiboly Katolika Nivory ireo filohan’ny Filistinina hanolotra sorona lehibe amin’i Dagôna andriamaniny sy hirobiroby, fa hoy izy: «Efa natolotry ny andriamanitsika eo an-tanantsika i Samsôna fahavalontsika.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nivory ireo lehiben’ny Filistina hamono zavatra hatao fanatitra lehibe ho an’i Dagona, andriamaniny sy hifaly. Hoy ireo: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika i Samsona fahavalontsika! DIEM PROTESTANTA Indray andro dia nivory ireo mpanjaka filistinina mba hankalaza ny fandreseny sy hanao sorona lehibe ho an’i Dagôna andriamaniny. Fa hoy izy hoe: –Efa natolotry ny andriamanitsika ho eo an-tanantsika i Samsôna fahavalontsika. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Indray andro dia nivory ireo mpanjaka filistinina mba hankalaza ny fandreseny sy hanao sorona lehibe ho an’i Dagôna andriamaniny. Fa hoy izy hoe: –Efa natolotry ny andriamanitsika ho eo an-tanantsika i Samsôna fahavalontsika. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nivory ireo andrianan’ny Filistina hamono zavatra betsaka hatao fanatitra ho an’i Dagona andriamaniny sy hifaly; fa hoy izy: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tànantsika Samsona fahavalontsika. Malagasy Bible Ary nivory ireo andrianan'ny Filistina hamono zavatra betsaka hatao fanatitra ho an'i Dagona andriamaniny sy hifaly; fa hoy izy: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika Samsona fahavalontsika. La Bible en Malgache Ary nivory ireo lehiben’ny Filistina hamono zavatra hatao fanatitra lehibe ho an’i Dagona, andriamaniny sy hifaly. Hoy ireo: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika i Samsona fahavalontsika! |
Ny fiadian’i Saola, napetrany tao an-tranon’ny andriamaniny, ary ny karandohany nohomboany tao amin’ny tempolin’i Dagôna.
Moa misy firenena manakalo ny andriamaniny va? - nefa ireny aza tsy Andriamanitra akory!... Fa ny vahoakako kosa efa nanakalo ny voninahiny, amin’izay tsy mahasoa na inona na inona!
Satria ny firenena rehetra samy mandeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy, ary isika mandeha amin’ny Anaran’i Iaveh, Andriamanitsika mandrakizay dia ho mandrakizay.
Tsia, fa ny zavatra aterin’ny Jentily ho fanatitra, dia ataony sorona amin’ny demony, fa tsy amin’Andriamanitra, ka tsy tiako ho mpiombona amin’ny demony ianareo. Tsy azonareo atao ny sady hisotro amin’ny kalisin’ny Tompo no hisotro amin’ny kalisin’ny demony koa;
Dia notapahiny ny lohany, nalainy ny fiadiany, ary naniraka olona izy ireo mba hiantso izany vaovao mahafaly izany eran’ny tanin’ny Filistinina rehetra, tao an-tempolin-tsampiny, sy amin’ny vahoaka.