Baiboly an-tserasera

dokam-barotra

Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao

Mpitsara 16:18 - Baiboly Katolika

Hitan’i Dalilà fa noborahiny taminy ny tao am-pony rehetra, ka naniraka hiantso ny filohan’ny Filistinina izy, sy nampilaza tamin’izy ireo hoe: «Miakara amin’izao, fa efa noborahiny tamiko ny tao am-pony rehetra.» Dia niakatra ireo filohan’ny Filistinina, samy nanao an-tanany ny volany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa hitan’i Delila fa efa nambarany azy ny tao am-pony rehetra dia nandefa iraka haka ireo andrianan’ny Filistina izy, hilaza hoe: Miakara amin’izao indray mandeha izao, fa efa nambarany ahy ny tao am-pony rehetra. Dia niakatra ho any aminy ireo andrianan’ny Filistina nitondra ny vola teny an-tanany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Takatr’i Delilà tamin’izay fa nambaran’i Samsôna azy ny tsiambaratelo rehetra tao am-pony, koa nandefa iraka izy hiantso ireo mpanjaka filistinina sy hilaza aminy hoe: –Tongava amin’izay ianareo amin’ity indray mandeha ity, fa efa nambaran’i Samsôna ahy ny tsiambaratelo rehetra tao am-pony. Dia nankany amin’ilay vehivavy ireo mpanjaka filistinina ary nanome azy ny vola.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary rehefa hitan’i Delila fa efa nambarany azy ny tao am-pony rehetra, dia naniraka izy nampaka ireo andrianan’ny Filistina nanao hoe: Miakara amin’izao indray mandeha izao, fa efa nambarany ahy ny tao am-pony rehetra. Ary ireo andrianan’ny Filistina niakatra ho any aminy nitondra ny vola teny an-tànany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa hitan'i Delila fa efa nambarany azy ny tao am-pony rehetra, dia naniraka izy nampaka ireo andrianan'ny Filistina nanao hoe: Miakara amin'izao indray mandeha izao, fa efa nambarany ahy ny tao ampony rehetra. Ary ireo andrianan'ny Filistina niakatra ho any aminy nitondra ny vola teny an-tànany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa hitan’i Delila fa efa nambarany azy ny tao am-pony rehetra dia nandefa iraka haka ireo andrianan’ny Filistina izy, hilaza hoe: Miakara amin’izao indray mandeha izao, fa efa nambarany ahy ny tao am-pony rehetra. Dia niakatra ho any aminy ireo andrianan’ny Filistina nitondra ny vola teny an-tanany.

Jereo ny toko

Mpitsara 16:18
11 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Akaba tamin’i Elia: «Azonao va aho, ry ilay fahavaloko?» Ka hoy ny navaliny: «Azoko ianao, satria nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason’i Iaveh ianao.

Matokia Azy mandrakariva, rey vahoaka; aborahy eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no fialofantsika. - Selà

Hanim-py ny tenin’ny mpitati-bolana, ka mikorotsaka hatrany anatin’ny kibo.

Niainga ny loholon’i Moaba sy ny loholon’i Madiàna, nataony an-tanana ny tambin’ilay mpanandro. Nony tonga tany amin’i Balaama izy ireo, dia nambarany azy ny tenin’i Balàka,

ka nanao taminy hoe: «Homenareo hoatrinona aho, dia hatolotro anareo Izy?» Dia nanisa farantsa kely telopolo ho azy izy ireo.

Satria fantaro tsara fa rehefa mety ho olona mpijangajanga, na vetaveta, na mpanarana filàn-dratsin’ny nofo (mpanompo sampy izany), dia tsy handova ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra.

Satria ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, ka ny sasany nentin’izany, dia efa nivily lavitry ny finoana, sy nandefona ny tenany tamin’ny fijaliana maro.

ka nambarany taminy izay tao am-pony rehetra, ary hoy izy taminy: «Tsy mbola nodiavin-kareza ny lohako, na oviana na oviana, fa nazarean’Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho. Fa raha haratana aho dia hiala amiko ny heriko, dia hanjary osa sy ho tahaka ny olona rehetra ihany aho.»

Ary nampatoriny teo an-dohaliny izy ka niantso ilay lehilahy dia nampanàra ny foto-bolo fito amin’ny lohan’i Samsôna dia niantomboka tamin’izay ny namolahany azy, ary niala taminy ny heriny.

Ka niakatra nankany aminy ireo filohan’ny Filistinina, nanao taminy hoe: «Tambatambazo izy, hahalalanao izay itoeran’ny heriny lehibe, sy hahazoanay mandresy azy, mba hamatoranay azy, sy hamolahanay azy, fa samy hanome anao vola zato amby arivo sikla avy izahay rehetra».