Inefatra izy no nampitondra tamiko izany hevitra izany, nefa izany ihany no navaliko azy hatrany.
Mpitsara 16:10 - Baiboly Katolika Ary hoy i Dalilà tamin’i Samsôna: «Namazivazy ahy sy nandainga tamiko izany ianao; koa ankehitriny mihanta aminao re aho, mba lazao kely izay tokony hamatorana anao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Delila tamin’i Samsona: Indro, efa namitaka ahy ianao ka nilaza lainga tamiko. Ankehitriny, mba lazao amiko re izay hahazoana mamatotra anao. DIEM PROTESTANTA Ary hoy i Delilà tamin’i Samsôna: –Indro namitaka ahy ianao sady nilaza lainga tamiko; koa mba atoroy ahy re ankehitriny izay fomba tokony hamatorana anao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy i Delilà tamin’i Samsôna: –Indro namitaka ahy ianao sady nilaza lainga tamiko; koa mba atoroy ahy re ankehitriny izay fomba tokony hamatorana anao. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Delila tamin’i Samsona: Indro, efa namitaka ahy hianao ka nilaza lainga tamiko; ankehitriny, masìna hianao, lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao. Malagasy Bible Ary hoy Delila tamin'i Samsona: Indro, efa namitaka ahy ianao ka nilaza lainga tamiko; ankehitriny, masìna ianao, lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao. La Bible en Malgache Dia hoy i Delila tamin’i Samsona: Indro, efa namitaka ahy ianao ka nilaza lainga tamiko. Ankehitriny, mba lazao amiko re izay hahazoana mamatotra anao. |
Inefatra izy no nampitondra tamiko izany hevitra izany, nefa izany ihany no navaliko azy hatrany.
Aza mba mety ho vavolombelona foana, hamely ny namana, fa ianao angaha te hamitaka amin’ny molotrao?
Ary dia mankao aminao izy ireo toy ny fiavin’ny vahoaka be; mipetraka eo anatrehanao ny vahoakanao; mihaino ny teninao, nefa tsy manatanteraka izany, fa izay ankasitrahin’ny vavany no ataony, ny filan-karena no arahin’ny fony.
Ary hoy i Jesoa taminy: «Ry Jodasy, dia fanorohana lahy no amadihanao ny Zanak’olona?»
Dia hoy izy taminy: «Raha tady vaovao, tsy mbola nampiasaina akory no amatorana ahy, dia hanjary osa sy sahala amin’ny olon-kafa ihany aho.»
Hoy i Dalilà tamin’i Samsôna: «Mamazivazy ahy foana ianao hatramin’izao, ary lainga no nataonao tamiko. Fa izay tokony hamatorana anao no aoka hambaranao ahy.» Dia hoy izy taminy: «Izao ihany; tenomy hikambana amin’ny tenona ny foto-bolo fito amin’ny lohako.»
Ary hoy i Samsôna taminy: «Raha tady fito vaovao tsy mbola maina, no amatorana ahy, dia osa sy sahala amin’ny olon-kafa aho».
Ary efa nasiany olona nanotrika ao an’efitranony, dia hoy izy taminy hoe: «Irotsahan’ny Filistinina ianao, ry Samsôna!» Notapahany anefa ny tady ka niraraka ompana hoatra ny kofehy hoton-drongony voan’afo. Dia tsy fantatra izay niafenan’ny heriny.