Ary hoy i Jakôba tamin’i Labàna: «Omeo ahy ny vadiko fa tapitra ny fetr’androko dia hankaminy aho.»
Mpitsara 14:8 - Baiboly Katolika Nony afaka kelikely niverina mba handray azy izy, ka nivily hizaha ny fatin’ilay liona, ary indro nisy antokon-drenitantely sy tantely teo amin’ny vatan’ilay liona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Andro vitsivitsy tatỳ aoriana dia niverina hampakatra azy i Samsona ka nivily hizaha ny fatin’ilay liona. Ary indro, nisy andian-tantely sy tantely ranony tao amin’ilay fatin’ny liona. DIEM PROTESTANTA Andro vitsivitsy tato aoriana dia niverina tao Timnà izy mba hampakatra azy. Ary nivily izy mba hijery ny fatin’ilay liona ka nahita renitantely sy tantely tao anatin’ny vondron-taolan’ilay fatin-diona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Andro vitsivitsy tato aoriana dia niverina tao Timnà izy mba hampakatra azy. Ary nivily izy mba hijery ny fatin’ilay liona ka nahita renitantely sy tantely tao anatin’ny vondron-taolan’ilay fatin-diona. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa afaka kelikely, dia niverina hampakatra azy Samsona ka nivily hizaha ny fatin’ilay liona; ary, indro, nisy renitantely nivangongo sy tantely tao amin’ilay fatin’ny liona. Malagasy Bible Ary rehefa afaka kelikely, dia niverina hampakatra azy Samsona ka nivily hizaha ny fatin'ilay liona; ary, indro, nisy reni-tantely nivangongo sy tantely tao amin'ilay fatin'ny liona. La Bible en Malgache Andro vitsivitsy tatỳ aoriana dia niverina hampakatra azy i Samsona ka nivily hizaha ny fatin’ilay liona. Ary indro, nisy andian-tantely sy tantely ranony tao amin’ilay fatin’ny liona. |
Ary hoy i Jakôba tamin’i Labàna: «Omeo ahy ny vadiko fa tapitra ny fetr’androko dia hankaminy aho.»
Raha tojo tantely ianao, ny sahaza anao ihany hanina, fandrao voky azy ianao, ka handoa azy indray.
Nefa raha mbola nieritreritra izany izy, indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy, ka nanao hoe: «Ry Josefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao, fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina,
Naka tamin’io izy teo an-tanany, nohaniny teny an-dalana, ka nony nahatratra an-drainy aman-dreniny izy, nomeny koa ireo dia nihinana; nefa tsy nolazainy tamin’ireo fa nalainy tamin’ny vatan’ilay liona ny tantely.