Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 14:5 - Baiboly Katolika

Dia nidina nankany Tamnà i Samsôna, niaraka tamin’ny ray aman-dreniny. Nony tonga teo amin’ny tanimboalobok’i Tamnà izy dia indro nisy vanton-diona nierona nandroso hifanehatra aminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nidina i Samsona sy ny ray aman-dreniny nankany Timna. Ary nony tonga tao amin’ny tanim-boaloboka tany Timna izy, indro, nisy liona tanora nierona taminy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia niainga hankany Timnà i Samsôna. Nony tonga tao amin’ny tanim-boaloboka akaikin’i Timnà izy, dia nisy liona tanora nierona nanatona azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia niainga hankany Timnà i Samsôna. Nony tonga tao amin’ny tanim-boaloboka akaikin’i Timnà izy, dia nisy liona tanora nierona nanatona azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nidina Samsona sy ny rainy aman-dreniny nankany Timna. Ary nony tonga tao amin’ny tanimboaloboka tany Timna izy, indro, nisy liona tanora nierona taminy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nidina Samsona sy ny rainy aman-dreniny nankany Timna. Ary nony tonga tao amin'ny tanim-boaloboka tany Timna izy, indro, nisy liona tanora nierona taminy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nidina i Samsona sy ny ray aman-dreniny nankany Timna. Ary nony tonga tao amin’ny tanim-boaloboka tany Timna izy, indro, nisy liona tanora nierona taminy.

Jereo ny toko



Mpitsara 14:5
10 Rohy Ifampitohizana  

I Banaiasa zanak’i Jôiadasa zanaky ny lehilahy anankiray mahery sy naneho herim-po lehibe matetika, avy any Kabseela, dia namely ireo Ariela roa lahy avy any Moaba. Indray andro, nisy oram-panala, dia nidina izy ka namely ilay liona tamin’ny lavaka famorian-drano.


I Banaiasa zanak’i Jôiadà zanaky ny lehilahy anankiray mahery sy naneho herim-po lehibe matetika, avy any Kabseela. Izy no namely ireo Ariela roalahy avy any Moaba. Indray andro nisy oram-panala izay, dia nidina izy ka namely ilay liona tao amin’ny lavaka famorian-drano.


Hanitsakitsaka ny liona sy ny aspìka ianao, hanosihosy ny liona tanora mbamin’ny dragona ianao.


Mierona hamely azy ny liona tanora, sy miloa-peo mafy, ka mahatonga ny taniny ho lao. Voadotry ny afo ny tanànany, ka tsy misy mponina intsony.


fa noho ny finoana koa izy ireo dia nandresy fanjakana maro, niasa ara-drariny, nahazo ny nampanantenaina, nanakombona ny vavan’ny liona,


Avy eo Baala ny faritry ny tany dia niolaka miankandrefana mankany amin’ny tendrombohitra Jarima, dia i Keslôna izany, nidina mankany Bety-Samesa nihazo an’i Tamà.


Mahalalà onony, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo mova tsy ny liona mierona mitady izay harapany.


Tsy nahalala rainy aman-dreniny fa avy amin’Andriamanitra izany, satria izy nitady antony hananganan’ny Filistinina ady. Nanapaka an’i Israely tamin’izany andro izany ny Filistinina.


Fa notsindrian’ny Fanahin’i Iaveh i Samsôna, ka nosamatsamahany hoatra ny fanasamaka zanak’osy ilay liona, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tanany, ary tsy nambarany tamin-drainy aman-dreniny akory izany nataony izany.


dia rafitra nanenjika azy aho sy nikapoka azy ka naka ny ondry teny am-bavany, ary raha nitsangana hamely ahy izy, nohazoniko amin’ny valanoranony, nokapohiko dia novonoiko ho faty.