Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 14:13 - Baiboly Katolika

Fa raha tsy mahalaza ny heviny amiko kosa ianareo, dia ianareo no hanome ahy ny akanjo lobaka telopolo sy akanjo telopolo atao fanovana».

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa raha tsy mahalaza amiko kosa ny valiny ianareo dia homenareo lobaka telopolo sy akanjo intelopolo miova aho. Dia hoy izy ireo: Lazao ary ny ankamantatra fa mihaino izahay.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Raha tsy izany kosa, dia ianareo no hanome ahy lobaka telopolo tsara tarehy sy akanjo telopolo fitondra mianjaika. Ka hoy ny navaliny azy: –Ataovy àry ny ankamantatrao, fa mihaino anao izahay.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Raha tsy izany kosa, dia ianareo no hanome ahy lobaka telopolo tsara tarehy sy akanjo telopolo fitondra mianjaika. Ka hoy ny navaliny azy: –Ataovy àry ny ankamantatrao, fa mihaino anao izahay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa raha tsy mahalaza amiko kosa hianareo, dia homenareo lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova aho. Dia hoy izy ireo: Ataovy ary ny fampanonona mba hohenoinay.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa raha tsy mahalaza amiko kosa ianareo, dia homenareo lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova aho. Dia hoy izy ireo: Ataovy ary ny fampanonona mba hohenoinay.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa raha tsy mahalaza amiko kosa ny valiny ianareo dia homenareo lobaka telopolo sy akanjo intelopolo miova aho. Dia hoy izy ireo: Lazao ary ny ankamantatra fa mihaino izahay.

Jereo ny toko



Mpitsara 14:13
2 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Samsôna tamin’ireo: «Hanao ankamantatra aminareo aho; ka raha lazainareo amiko, ao anatin’ny hafitoana fanasana, ny heviny, ka fantatrareo, dia homeko lobaka telopolo sy akanjo telopolo atao fanovana ianareo.


Dia hoy ireo taminy: «Ataovy àry izay ankamantatrao, ho henonay». Ka hoy izy: «Izay mihinana no ivoahan’ny fihinana; Ary ny mahery no ivoahan’ny mamy». Hateloana izy ireo tsy nahalala ny hevitry ny ankamantatra.