Iza no efa namoha ny varavaran’ny vavany? Manodidina ny nifiny, dia itoeran’ny fahatahorana.
Mpitsara 14:11 - Baiboly Katolika Fa nahita azy ny olona dia nanasa olona telopolo lahy ho namany hiara-mitoetra aminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa nahita azy izy mianakavy dia nametraka namana telopolo lahy hitoetra ao aminy. DIEM PROTESTANTA Rehefa nahita azy ny Filistinina, dia nifantina tovolahy telopolo mba hiara-mikorana aminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa nahita azy ny Filistinina, dia nifantina tovolahy telopolo mba hiara-mikorana aminy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa nahita azy izy mianakavy, dia nametraka namana telo-polo lahy hitoetra ao aminy. Malagasy Bible Ary rehefa nahita azy izy mianakavy, dia nametraka namana telo-polo lahy hitoetra ao aminy. La Bible en Malgache Rehefa nahita azy izy mianakavy dia nametraka namana telopolo lahy hitoetra ao aminy. |
Iza no efa namoha ny varavaran’ny vavany? Manodidina ny nifiny, dia itoeran’ny fahatahorana.
Efa tafiditra ny tanimboliko aho, ry anabaviko voafofo, efa nioty ny mirako aman-java-manitra aho; efa nihinana ny toho-tantely aman-tanteliko aho...! efa nisotro ny divay aman-drononoko aho...! Mihinàna, ry sakaiza, misotroa, mimamoa, ianareo olon-tiako!
Ary hoy i Jesoa taminy: «Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra? Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, ka amin’izay vao hifady hanina izy.
Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan’ny mpampakatra izay mitsangana eo sy mihaino azy, dia faly tokoa mandre ny feon’ny mpampakatra; ary izany hafaliana izany no tanteraka amiko,
Nidina nankany amin’ilay vehivavy ny rain’i Samsôna, ary nanao fanasana teo i Samsôna, fa izany no fanaon’ny zatovo.
Ary hoy i Samsôna tamin’ireo: «Hanao ankamantatra aminareo aho; ka raha lazainareo amiko, ao anatin’ny hafitoana fanasana, ny heviny, ka fantatrareo, dia homeko lobaka telopolo sy akanjo telopolo atao fanovana ianareo.
Dia nihazakazaka naka azy tao ny olona, ary nitsangana teo afovoan’ny vahoaka izy, dia nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin’ny sorony no ho miakatra.
Nony tafiditra izy ireo dia nahita an’i Eliaba i Samoela ka nanao hoe: «Mby eto anatrehany tokoa ilay voahosotr’i Iaveh».