Fa hoy kosa izy ireo: «Tsy mba misotro divay izahay: satria izao no didy napetrak’i Jônadaba, zana-dRekaba, razanay, taminay: ‹Aza misy misotro divay, na ianareo na ny zanakareo mandrakizay;
Mpitsara 13:7 - Baiboly Katolika fa izao no nolazainy tamiko: Efa hanana anaka ianao, ka hitera-dahy; koa ankehitriny aza misotro divay na lalikera mahery na mihinan-java-maloto, fa ho nazarean’Andriamanitra io zaza io hatrany am-bohoka ka mandra-pahafatiny». Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy Izy tamiko: Indro, hanana anaka ianao ka hiteraka zazalahy; koa ankehitriny, aza misotro divay na toaka ianao ary aza mihinana izay zavatra maloto na inona na inona izany; fa ho Nazirita ho an’Andriamanitra hatrany an-kibo ka ambara-pahafatiny ny zaza. DIEM PROTESTANTA Nilazany aho fa hitoe-jaza ka hitera-dahy. Ary norarany aho tsy hisotro divay na toaka sady tsy hihinana sakafo maloto, satria io zaza io dia ho voatokana ho an’Andriamanitra hatrany an-kibo ka mandra-pahafatiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nilazany aho fa hitoe-jaza ka hitera-dahy. Ary norarany aho tsy hisotro divay na toaka sady tsy hihinana sakafo maloto, satria io zaza io dia ho voatokana ho an’Andriamanitra hatrany an-kibo ka mandra-pahafatiny. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy Izy tamiko: Indro, hanan-anaka hianao ka hiteraka zazalahy; koa ankehitriny aza misotro divay na toaka hianao, ary aza mihinana akory izay zava-padina; fa ho Nazirita ho an’Andriamanitra ny zaza hatrany an-kibo ka ambara-pahafatiny. Malagasy Bible Fa hoy Izy tamiko: Indro, hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy; koa ankehitriny aza misotro divay na toaka ianao, ary aza mihinana akory izay zava-padina; fa ho Nazirita ho an'Andriamanitra ny zaza hatrany an-kibo ka ambara-pahafatiny La Bible en Malgache Hoy Izy tamiko: Indro, hanana anaka ianao ka hiteraka zazalahy; koa ankehitriny, aza misotro divay na toaka ianao ary aza mihinana izay zavatra maloto na inona na inona izany; fa ho Nazirita ho an’Andriamanitra hatrany an-kibo ka ambara-pahafatiny ny zaza. |
Fa hoy kosa izy ireo: «Tsy mba misotro divay izahay: satria izao no didy napetrak’i Jônadaba, zana-dRekaba, razanay, taminay: ‹Aza misy misotro divay, na ianareo na ny zanakareo mandrakizay;
Nanangana mpaminany, tamin’ireo zanaka lahinareo Aho, sy nazareanina tamin’ireo zatovonareo, sa tsy izany va, ry zanak’i Israely?» - teny marin’i Iaveh. -
«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mitokana noho ny voady, dia voady ho nazareàna izany, mba hanokan-tena ho voninahitra ho an’i Iaveh,
Ary ankehitriny mitandrema tsara, fa aza misotro divay na lalikera mahery, na mihinan-java-maloto,
Dia nandeha nilaza tamin’ny lahy ravehivavy nanao hoe: «Nisy olon’Andriamanitra tonga tatỳ amiko; tahaka ny Anjelin’Andriamanitra no fijery ny endriny, endrika mahatahotra. Tsy nanontany izay niaviany aho ary izy tsy nampahalala ahy izay anarany;
Dia niantso an’i Iaveh i Manôe tamin’izay ka nanao hoe: «Tompo ô, raha sitrakao, dia aoka hiverina atỳ aminay indray ilay olon’Andriamanitra nirahinao, ka hanoro izay tokony hataonay amin’ny zaza ho teraka».