Niseho tamin-dravehivavy ny Anjelin’i Iaveh ka nanao taminy hoe: «Momba ianao izao, ka tsy manan-janaka, nefa hanana anaka kosa ianao, ka hitera-dahy.
Mpitsara 13:15 - Baiboly Katolika Dia hoy i Manôe tamin’ilay Anjelin’i Iaveh: «Aoka re mba hohazoninay ianao sy hanamboaranay zanak’osy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy i Manoa tamin’ilay Anjelin’NY TOMPO: Aoka mba hotananay Ianao mandra-panomanay zanak’osy ho Anao! DIEM PROTESTANTA Ary hoy i Manôà tamin’ilay anjelin’ny TOMPO: –Mba mijanòna kely aloha ianao ambara-pamboatray zanak’osy ho anao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy i Manôà tamin’ilay anjelin’ny TOMPO: –Mba mijanòna kely aloha ianao ambara-pamboatray zanak’osy ho anao. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Manoa tamin’Ilay Anjelin’i Jehovah: Aoka mba hotananay Hianao mandra-pamboatray zanak’osy ho Anao. Malagasy Bible Ary hoy Manoa tamin'Ilay Anjelin'i Jehovah: Aoka mba hotananay Hianao mandra-pamboatray zanak'osy ho Anao. La Bible en Malgache Ary hoy i Manoa tamin’ilay Anjelin’NY TOMPO: Aoka mba hotananay Ianao mandra-panomanay zanak’osy ho Anao! |
Niseho tamin-dravehivavy ny Anjelin’i Iaveh ka nanao taminy hoe: «Momba ianao izao, ka tsy manan-janaka, nefa hanana anaka kosa ianao, ka hitera-dahy.
Hoy ny Anjelin’i Iaveh taminy: «Alao ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay, apetraho eo ambonin’ity vatolampy ity, sy rotsahy ny ro.» Dia nataony izany.