Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 12:9 - Baiboly Katolika

Nanan-janaka telopolo lahy izy; ary zanany vavy telopolo no nampanambadiany tany ivelan’ny fianakaviany; ary ny zanany lahy kosa nangalany zazavavy telopolo avy any ivelany. Nandritra ny fito taona izy no mpitsara tany Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nanana zanakalahy telopolo sy zanakavavy telopolo, izay nampanambadiny tany ivelany izy, ary zazavavy telopolo kosa no nampidiriny ho an’ny zanany lahy. Nitsara ny Israely nandritra ny fito taona izy;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nanana zanakalahy telopolo sy zanakavavy telopolo izy, ka nampanambady ny zanany vavy tany ivelan’ny fokony sady nampakatra vinantovavy telopolo avy any ivelany koa. Ary nitondra ny Israelita nandritra ny fito taona i Ibitsàna;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nanana zanakalahy telopolo sy zanakavavy telopolo izy, ka nampanambady ny zanany vavy tany ivelan’ny fokony sady nampakatra vinantovavy telopolo avy any ivelany koa. Ary nitondra ny Israelita nandritra ny fito taona i Ibitsàna;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary izy nanana zanakalahy telo-polo sy zanakavavy telo-polo, izay nampanambadiny tany ivelany, ary zazavavy telo-polo kosa no nampidiriny ho an’ny zanani-lahy. Ary nitsara ny Isiraely fito taona izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary izy nanana zanakalahy telo-polo sy zanakavavy telo-polo, izay nampanambadiny tany ivelany, ary zazavavy telo-polo kosa no nampidiriny ho an'ny zananilahy. Ary nitsara ny Isiraely fito taona izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nanana zanakalahy telopolo sy zanakavavy telopolo, izay nampanambadiny tany ivelany izy, ary zazavavy telopolo kosa no nampidiriny ho an’ny zanany lahy. Nitsara ny Israely nandritra ny fito taona izy;

Jereo ny toko



Mpitsara 12:9
6 Rohy Ifampitohizana  

Indro fa lova avy amin’i Iaveh ny zanaka; valisoa ny aloaky ny kibo miteraka.


hanambady ka hiteraka zazalahy aman-jazavavy; haka vady ho an’ny zanaka lahinareo, sy hampanambady ny zanaka vavinareo, mba hiterahany zazalahy aman-jazavavy; ka hihamaro amin’ity tany ity ianareo, fa tsy hihavitsy.


Izy nanan-janaka telopolo lahy, izay nitaingina ampondra telopolo sy nanan-tanàna telopolo, izay mbola antsoina mandraka androany hoe, Tranon’i Jaira, ary any amin’ny tany Galaada no nisy azy.


Raha efa izany dia maty i Abesàna ka nalevina tany Betlehema.


Nanan-janaka efapolo lahy sy zafy telopolo lahy izy, izay nitaingina zanak’ampondra telopolo.


Ary taorian’izy io dia i Abesàna, avy any Betlehema, no mpitsara tamin’i Israely.