Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 11:17 - Baiboly Katolika

Nandefa iraka ho any amin’ny mpanjakan’i Edôma i Israely, tamin’izay, hilaza aminy hoe: Raha sitrakao, avelao mba hamaky ny taninao aho; nefa tsy nanaiky ny mpanjakan’i Edôma. Dia naniraka tany amin’ny mpanjakan’i Moaba indray izy, fa tsy nanaiky koa io, ka dia tao Kadesy i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nandefa iraka ho any amin’ny mpanjakan’i Edoma ny Israely hiteny hoe: Aoka mba handeha hamakivaky ny taninao aho. Tsy nety nihaino izany anefa ny mpanjakan’i Edoma. Ary nandefa iraka tany amin’ny mpanjakan’i Moaba koa izy fa tsy nety koa io. Dia nitoetra tany Kadesy ny Israely.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tao izy no nandefa iraka nangataka tamin’ny mpanjakan’i Edôma mba hahazo hamaky ny faritaniny, saingy tsy navelany. Ary nandefa fangatahana toy izany koa tamin’ny mpanjakan’i Môaba izy nefa tsy nekeny; ka dia nipetraka tao Kadesy ny Israelita.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tao izy no nandefa iraka nangataka tamin’ny mpanjakan’i Edôma mba hahazo hamaky ny faritaniny, saingy tsy navelany. Ary nandefa fangatahana toy izany koa tamin’ny mpanjakan’i Môaba izy nefa tsy nekeny; ka dia nipetraka tao Kadesy ny Israelita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia naniraka olona ny Isiraely nankany amin’ny mpanjakan’i Edoma ka nanao hoe: Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; fa tsy nety nihaino izany ny mpanjakan’i Edoma. Ary naniraka tany amin’ny mpanjakan’i Moaba koa izy; fa tsy nety koa izy; dia nitoetra tany Kadesy ny Isiraely.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia naniraka olona ny Isiraely nankany amin'ny mpanjakan'i Edoma ka nanao hoe: Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; fa tsy nety nihaino izany ny mpanjakan'i Edoma. Ary naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Moaba koa izy; fa tsy nety koa izy; dia nitoetra tany Kadesy ny Isiraely.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nandefa iraka ho any amin’ny mpanjakan’i Edoma ny Israely hiteny hoe: Aoka mba handeha hamakivaky ny taninao aho. Tsy nety nihaino izany anefa ny mpanjakan’i Edoma. Ary nandefa iraka tany amin’ny mpanjakan’i Moaba koa izy fa tsy nety koa io. Dia nitoetra tany Kadesy ny Israely.

Jereo ny toko



Mpitsara 11:17
6 Rohy Ifampitohizana  

Tonga tao amin’ny efitra Sina, tamin’ny volana voalohany, ny zanak’i Israely, dia ny fiangonana manontolo, ary tao Kadesy no nitoetra ny vahoaka. Tao no nahafatesan’i Maria sy nandevenana azy. Fa ny hany teo akaikin’ny Fiara, dia ny Levita sy Hebrio sasantsasany ihany.


Nitoetra ela be tao Kadesa ianareo, dia izay fotoana nijanonanareo tao.


Efa nanao izany tamiko ny taranak’i Esao monina any Seira, sy ny Moabita monina any Ara mandra-pitàko an’i Jordany, ho any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitray anay.


Nitsangana i Balàka, zanak’i Sefôra, mpanjakan’i Moaba, ka niady tamin’i Israely; nampiantso an’i Balaama zanak’i Beôra izy hanozona anareo.