Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 11:15 - Baiboly Katolika

ka nanao taminy hoe: «Izao no tenin’i Jefte: I Israely tsy naka ny tanin’i Moaba, na ny tanin’i taranak’i Amôna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

hilaza hoe: Izao no lazain’i Jefta: Ny Israely dia tsy naka ny tanin’i Moaba na ny tanin’ny Amonita.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

mba hilaza izao hafatra izao: –Tsy naka ny faritanin’ny Môabita na ny faritanin’ny Hamônita ny Israelita.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

mba hilaza izao hafatra izao: –Tsy naka ny faritanin’ny Môabita na ny faritanin’ny Hamônita ny Israelita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’i Jefta: Ny Isiraely tsy naka ny tanin’i Moaba na ny tanin’ny taranak’i Amona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jefta: Ny Isiraely tsy naka ny tanin'i Moaba na ny tanin'ny taranak'i Amona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

hilaza hoe: Izao no lazain’i Jefta: Ny Israely dia tsy naka ny tanin’i Moaba na ny tanin’ny Amonita.

Jereo ny toko



Mpitsara 11:15
8 Rohy Ifampitohizana  

Ankehitriny, indreo ny taranak’i Amôna sy i Moaba mbamin-dry zareo avy any an-tendrombohitra Seira, izay tsy navelanao hidiran’i Israely fony izy avy any amin’ny tany Ejipta, ka nivily izy, fa tsy nandrava azy.


ka ho tonga any akaikin’ny taranak’i Amôna ianao, nefa aza manomboka ady aminy, na mifanditra aminy, fa tsy hanomezako ho fanananao ny tanin’ny taranak’i Amôna, na dia kely aza, satria efa nomeko ho fananan’ny taranak’i Lôta izany.


Hoy i Iaveh tamiko: Aza manomboka ady amin’i Moaba, ary aza rafitra ady aminy, fa tsy hanomezako ho fanananareo ny taniny, na kely aza, satria i Ara efa nomeko ho fananan’ny taranak’i Lôta.


Dia nandefa iraka indray i Jefte ho any amin’ny mpanjakan’ny taranak’i Amôna,


Fa nony niakatra avy tany Ejipta i Israely, dia nandeha tany an’efitra, hatreo amin’ny Ranomasina Mena, ka tonga tany Kadesy.