Dia tonga tany Galaada sy any amin’ny tanin’i Taktima-Hodsì, izy; raha efa izany dia nankany Dana-Jaana, mbamin’ny manodidina an’i Sidona.
Mpitsara 1:31 - Baiboly Katolika I Asera tsy nandroaka ny mponina tao Akao, na ny mponina tao Sidona, na ny tao Ahalaba, Akaziba, Helbà, Afeka, ary Rohoba, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Asera dia tsy nandroaka ny mponina tany Ako na ny mponina tany Sidona na ny tany Alaba na ny tany Akziba na ny tany Helba na ny tany Afika na ny tany Rehoba; DIEM PROTESTANTA Ny taranak’i Asera dia tsy naharoaka ny mponina tao Hakao sy Tsidôna na ny tao Mehaleba sy Akziba na ny tao Helbà sy Afîka ary Rehôba. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny taranak’i Asera dia tsy naharoaka ny mponina tao Hakao sy Tsidôna na ny tao Mehaleba sy Akziba na ny tao Helbà sy Afîka ary Rehôba. Baiboly Protestanta Malagasy Asera tsy nandroaka ny mponina tany Ako, na ny mponina tany Sidona, na ny tany Alaba, na ny tany Akziba, na ny tany Helba na ny tany Afika, na ny tany Rehoba; Malagasy Bible Asera tsy nandroaka ny mponina tany Ako, na ny mponina tany Sidona, na ny tany Alaba, na ny tany Akziba, na ny tany Helba, na ny tany Afika. na ny tany Rehoba; La Bible en Malgache I Asera dia tsy nandroaka ny mponina tany Ako na ny mponina tany Sidona na ny tany Alaba na ny tany Akziba na ny tany Helba na ny tany Afika na ny tany Rehoba; |
Dia tonga tany Galaada sy any amin’ny tanin’i Taktima-Hodsì, izy; raha efa izany dia nankany Dana-Jaana, mbamin’ny manodidina an’i Sidona.
Hoatra ny noheveriny fa zavatra kely foana ny mandeha amin’ny fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata, ka dia nalainy ho vady i Jezabela, zanaka vavin’i Etbaala, mpanjakan’ny Sidonianina, ka lasa izy nanompo an’i Baala sy niankohoka teo anatrehany.
I Zabolôna tsy nandroaka ny mponina tao Setrôna, na ny mponina tao Naalôna, ka nonina tao amin’i Zabolôna ny Kananeanina fa nampandoaviny hetra.
ka nonina teo amin’ny Kananeanina tompon-tany ny taranak’i Asera, satria tsy nandroaka azy.