Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 1:28 - Baiboly Katolika

Nony efa nihanahery i Israely, dia nampandoaviny hetra ny Kananeanina, nefa tsy noroahiny izy ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa rehefa niha nahery kosa ny Israely dia nampanaoviny fanompoana ny Kananita fa tsy noroahiny tanteraka.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary na dia efa natanjaka aza i Israely tatỳ aoriana, dia tsy naharoaka azy ireo mihitsy fa nampanompo azy fotsiny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary na dia efa natanjaka aza i Israely tatỳ aoriana, dia tsy naharoaka azy ireo mihitsy fa nampanompo azy fotsiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa rehefa nihahery kosa ny Isiraely, dia nampanaoviny fanompoana ny Kananita, fa tsy nandroaka azy rehetra izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa rehefa nihahery kosa ny Isiraely, dia nampanaoviny fanompoana ny Kananita. fa tsy nandroaka azy rehetra izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa rehefa niha nahery kosa ny Israely dia nampanaoviny fanompoana ny Kananita fa tsy noroahiny tanteraka.

Jereo ny toko



Mpitsara 1:28
9 Rohy Ifampitohizana  

ka hoy izy: «Ho voaozona anie i Kanaana. Ho andevon’ny andevo izy, amin’ny rahalahiny.»


Hoy indray izy: «Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitr’i Sema Ary aoka ho andevony i Kanaana.


dia ny taranaka mandimby azy ireo tamin’ny tany, izay tsy azon’ny zanak’i Israely natao anatema, no nalain’i Salômôna andevo mpanao fanompoana, dia mbola toy izany ireo mandrak’androany.


Ny tanana velom-pitandremana, hanapaka; fa ny tanana mipozipozy hampanompoana.


Raha valiany fihavanana sy vohainy ianao, dia ho mpandoa hetra sy mpanomponao avokoa ny olona rehetra ao.


Nony efa nihamahery ny zanak’i Israely dia nampandoaviny hetra ny Kananeanina fa tsy noroahiny.


I Manase tsy nandroaka ny mponina tao Betsàna sy ny tanàna momba azy, na ny tao Tanàka sy ny tanàna momba azy, na ny mponina tao Dôra sy ny tanàna momba azy, na ny mponina tao Jeblaamà sy ny tanàna momba azy, ka nahazo toky hipetraka amin’izany tany izany ny Kananeanina.


I Efraima tsy nandroaka ny Kananeanina nonina tao Gareza, ka nonina teo amin’i Efraima tao Gareza ny Kananeanina.


Reraka mafy ny lehilahy amin’i Israely tamin’izany andro izany. Nampianiana ny vahoaka i Saola nanao hoe: «Ho voaozona anie izay lehilahy mihinan-kanina, mandra-paharivan’ny andro, mandra-pamaliako ny fahavaloko». Ka tsy nisy olona nitendry hanina na dia iray aza.