Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mika 4:5 - Baiboly Katolika

Satria ny firenena rehetra samy mandeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy, ary isika mandeha amin’ny Anaran’i Iaveh, Andriamanitsika mandrakizay dia ho mandrakizay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny firenena rehetra dia samy mandeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy, fa isika kosa dia handeha amin’ny anaran’NY TOMPO Andriamanitsika mandrakizay doria.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny firenen-kafa rehetra samy mankato ny andriamaniny avy; fa isika kosa mankatò ny TOMPO Andriamanitsika, mandrakizay doria.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny firenen-kafa rehetra samy mankato ny andriamaniny avy; fa isika kosa mankatò ny TOMPO Andriamanitsika, mandrakizay doria.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa ny firenena rehetra samy mandeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy; Fa isika kosa handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa ny firenena rehetra samy mandeha amin'ny anaran'ny andriamaniny avy; Fa isika kosa handeha amin'ny anaran'i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny firenena rehetra dia samy mandeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy, fa isika kosa dia handeha amin’ny anaran’NY TOMPO Andriamanitsika mandrakizay doria.

Jereo ny toko



Mika 4:5
19 Rohy Ifampitohizana  

Nony efa sivy amby sivy folo taona i Abrama dia niseho taminy i Iaveh ka nanao taminy hoe: «Izaho no Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra; mizora eo anatrehako ary aza manan-tsiny ianao;


Kanjo isam-pirenena mbola samy nanao ny andriamaniny avy koa, sy nametraka azy tao amin’ny fitoerana avo naorin’ny Samaritanina, tamin’izay tanàna nipetrahany avy isam-pirenena.


Mandrak’androany, dia mbola manaraka ny fomba taloha ihany izy ireo: tsy dia matahotra an’i Iaveh izy, ary tsy dia manaraka ny lalàna amam-pitsipiny, na ny lalàna aman-didy nomen’i Iaveh ny zanak’i Jakôba, izay nantsoiny hoe Israely.


Hiarahaba ny fandresenao anie izahay, amin’ny hobin-kafaliana; hanangam-paneva amin’ny Anaran’ny Andriamanitsika; hotanterahin’i Iaveh anie izay irinao rehetra!


Jereo tsara ny mandany; diniho ireo lapany, hitantarana azy amin’ny taranaka ho avy.


Hilaza ny asanao lehibe aho, ry Tompo Iaveh ô, hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao irery.


Avia, ry taranak’i Jakôba, ka aoka handeha amin’ny fahazavan’i Iaveh isika.


Ry Iaveh Andriamanitray ô, nisy tompo hafa noho Ianao efa nanapaka anay koa; fa noho Ianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny Anaranao.


Koa teo amin’ny lalan’ny fitsaranao no niandrasanay Anao, ry Iaveh, ny Anaranao amam-pahatsiarovana Anao, no fanirian’ny fanahinay.


Hanao fanekena mandrakizay aminy Aho, mba tsy hihatahako aminy tsy manao soa aminy intsony, ary halatsako ao am-pony ny fahatahorany Ahy, mba tsy hihatahany Amiko.


Hampahereziko ao amin’i Iaveh izy ireo, ka handeha amin’ny Anarany. - teny marin’i Iaveh. -


kanefa tsy nitsahatra ny nanisy vavolombelona hanambara ny Tenany mandrakariva tamin’ny soa nataony, dia ny mandatsaka ny ranonorana avy any an-danitra, ny mahavokatra ny tany amin’ny fotoana, ka mahavoky hanina antsika, sy mahafeno hafaliana ny fontsika.»


Koa henoy ny feon’i Iaveh Andriamanitrao, araho ny didy aman-dalàny izay andidiako anao anio.


Araka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesoa Tompo àry, no aoka handehananareo ao aminy koa.


Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amin-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.


Raha tsy sitrakareo kosa ny hanompo an’i Iaveh dia fidionareo anio izay tianareo hotompoina, na ny andriamanitra notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny ony; na ny andriamanitry ny Amôreana izay onenanareo ny taniny. Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo an’i Iaveh.