Izy no nanambara ny teniny tamin’i Jakôba, sy ny didiny amam-pitsipiny tamin’i Israely.
Mika 4:12 - Baiboly Katolika Tsy fantatr’izy ireo anefa ny hevitr’i Iaveh; ka tsy azony an-tsaina ny hevitra voakasany, dia ny nanambàrany azy ireo toy ny amboara eo am-pamoloana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Kanjo tsy fantatr’ireny ny hevitry NY TOMPO ary tsy azony ny fisainany: Efa nanangona azy toy ny amboara ho ao am-pamoloana Izy. DIEM PROTESTANTA Kanjo tsy fantatr’ireny ny hevitry ny TOMPO, tsy takany ny fikasany, dia ny nanangonany azy tahaka ny amboara ao am-pamoloana hivelezana azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Kanjo tsy fantatr’ireny ny hevitry ny TOMPO, tsy takany ny fikasany, dia ny nanangonany azy tahaka ny amboara ao am-pamoloana hivelezana azy. Baiboly Protestanta Malagasy Kanjo tsy fantatr’ireny ny hevitr’i Jehovah, Na azony ny fisainany; Fa efa nanangona azy toy ny amboara ho ao am-pamoloana Izy. Malagasy Bible Kanjo tsy fantatr'ireny ny hevitr'i Jehovah, Na azony ny fisainany; Fa efa nanangona azy toy ny amboara ho ao am-pamoloana Izy. La Bible en Malgache Kanjo tsy fantatr’ireny ny hevitry NY TOMPO ary tsy azony ny fisainany: Efa nanangona azy toy ny amboara ho ao am-pamoloana Izy. |
Izy no nanambara ny teniny tamin’i Jakôba, sy ny didiny amam-pitsipiny tamin’i Israely.
Tsy mba nanao toy izany tamin’ny firenena hafa rehetra Izy, ka tsy mahalala ny fitsipiny ireny. Aeloia!
Kanjo tsy izany no heviny, ary tsy izany no heverin’ny fony; fa ny handringana no hany kendreny, sy hamongotra firenena tsy an-kavitsiana.
Ry variko velezina ô, voam-barin’ny famoloako, izay reko tamin’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely, no ambarako aminareo.
Ary ho tahaka ny nofy, tahaka ny fahitana amin’ny alina no hahazo ireo firenena maro rehetra izay hiady amin’i Ariela, sy izay rehetra hanafika azy sy ny tranony mimanda, sy hamoritra azy mafy.
Fa ny fihevitro, tsy fihevitrareo, ary ny lalanareo, tsy mba lalako. - Teny marin’i Iaveh. -
Fa Izaho dia mahalala ny hevitro ny aminareo, - teny marin’i Iaveh, - dia hevitra hampiadanana fa tsy hampahoriana, mba hanome anareo andro any ho any sy fanantenana.
Ianao no ataoko fampohaza, ataoko fiadiana: ianao no anorotoroako firenena; ianao no andravako fanjakana;
Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Ny zanaka vavin’i Babela dia toy ny famoloana amin’ny fotoana fanosena azy, ka kely foana sisa, dia ho tonga aminy, ny andro fararano.
Na dia ny mpanompo lahy ama-mpanompo vavy aza, handatsahako ny Fanahiko amin’izany andro izany.
eny an-tanany ny fikororohany ary hodioviny ny famoloany, ka ny vary hangoniny ao an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty.»