Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mika 3:7 - Baiboly Katolika

Hangaihay ny mpahita, ary ho mena azon’ny henatra ny mpanao fankatoavana; hisarom-bolom-bavany izy rehetra, fa tsy hisy intsony ny valy avy amin’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ho menatra ny mpahita ary hangaihay ny mpanao fanandroana; eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra satria tsy misy valinteny avy amin’Andriamanitra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia ho menatra ny mpaminany isehoam-pahitana, ary hangaihay ny mpanambara ny ho avy; hisarom-bava avokoa izy rehetra, satria tsy namaly azy intsony Andriamanitra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia ho menatra ny mpaminany isehoam-pahitana, ary hangaihay ny mpanambara ny ho avy; hisarom-bava avokoa izy rehetra, satria tsy namaly azy intsony Andriamanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia ho menatra ny mpahita, Ary hangaihay ny mpanao fankatovana; Eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra, Satria tsy misy valiny avy amin’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia ho menatra ny mpahita, Ary hangaihay ny mpanao fankatovana; Eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra, Satria tsy misy valiny avy amin'Andriamanitra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ho menatra ny mpahita ary hangaihay ny mpanao fanandroana; eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra satria tsy misy valinteny avy amin’Andriamanitra.

Jereo ny toko



Mika 3:7
19 Rohy Ifampitohizana  

Ny famantaranay, tsy hitanay intsony; ny mpaminany, tsy misy intsony; ary tsy misy aminay mahalala mandra-pahoviana no...


Tsy afaka niseho teo anatrehan’i Môizy ny mpanao ody azon’ny vay; fa voan’ny vay ny mpanao ody sahala amin’ny Ejipsiana rehetra koa.


Izaho no mahafoana ny fanambaràn’ny mpaminany mpandainga, mahabedibedy foana ny mpimasy, mampikoy ny olon-kendry, ary manova ny fahaizany ho fahadalana.


Dia hoy izy ireo: «Andeha, hiray tetika hamely an’i Jeremia isika; fa tsy ho faty ny lalàna ao amin’ny mpisorona, na ny hevitra ao amin’ny hendry, na ny tenin’Andriamanitra, ao amin’ny mpaminany! Andeha hasiantsika amin’ny vavantsika izy, ary aza manongilan-tsofina amin’ny teniny isika.»


Misentoa mangingina, fa aza misaona ny maty, Ataovy amin’ny lohanao ny hamamanao, asio kiraro ny tongotrao, aza saronana ny volombavanao, ary aza mihinana ny mofom-piononana.»


Amin’izany ianareo, hanao toy izao nataoko izao: tsy hanarona ny volombavanareo; tsy hihinana ny mofom-piononana.


Izay boka ferena dia hanao fitafiana norovitina, ny volony harakarakany, ny volombavany hosaronany, ary izy hiantsoantso hoe: Maloto e! Maloto e!


Indro tamy ny andro, - teny marin’ny Tompo Iaveh, - hanirahako hanoanana amin’ny tany; tsy mba hanoanana momba ny mofo, na hetaheta momba ny rano, fa ny faniriana te-handre ny tenin’i Iaveh.


Hitaraina amin’i Iaveh izy ireo amin’izany, nefa tsy hohenoiny; hafeniny amin’izy ireo ny Tavany amin’izany andro izany, araka ny haratsiana nanaovany ny asany.


Hahita izany ireo firenena, ka hahamenatra azy avokoa ny heriny rehetra; hitampim-bava izy ireo, hangintsingintsina ny sofiny.


Ary hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany: Ny mpaminany samy ho menatra ny fahitany avy raha maminany izy; ary tsy hitafy ny kapaoty volom-biby intsony, mba handaingany.


Dia nanontany an’Andriamanitra i Saola nanao hoe: «Hidina hanenjika ny Filistinina va aho? Hatolotrao eo an-tanan’i Israely va ireny?» Fa tsy nomeny valy izy, tamin’izay andro izay.


Ary hoy i Samoela tamin’i Saola: «Ahoana no manabataba ahy ianao amin’ny fampiakarana ahy?» Dia namaly i Saola nanao hoe: «Poritra loatra aho: ny Filistinina miady amiko, ary Andriamanitra nihataka tamiko, fa tsy namaly ahy Izy, na tamin’ny mpaminany, na tamin’ny nofy. Niantso anao aho, mba hampahalala ahy izay tsy maintsy ataoko.»


Nanontany an’i Iaveh i Saola, nefa tsy namaly azy i Iaveh, na tamin’ny nofy, na tamin’ny Orima, na tamin’ny mpaminany.


Teo amin’i Israely fahiny ny olona mandeha hanontany amin’Andriamanitra dia nifampilaza hoe: «Handeha isika ho any amin’ny mpahita». Fa mpahita no fiantson’ny taloha ny atao ankehitriny hoe mpaminany.