Dia indro nisy lehilahy anankiray malemy nandry tamin’ny fandriany nentin’ny olona teo aminy. Nony nahita ny finoan’ireo i Jesoa, dia hoy Izy tamin’ilay malemy: «Matokia, anaka, fa voavela ny helokao.»
Matio 9:5 - Baiboly Katolika Inona no moramora kokoa, ny manao hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa inona moa no moramora kokoa, ny miteny hoe: Voavela ny helokao sa ny miteny hoe: Mitsangàna ka mandehana! DIEM PROTESTANTA Fa inona moa no tsotsotra kokoa, ny milaza hoe: «Voavela ny helokao», sa ny milaza hoe: «Mitsangàna ka mandehana»? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa inona moa no tsotsotra kokoa, ny milaza hoe: «Voavela ny helokao», sa ny milaza hoe: «Mitsangàna ka mandehana»? Baiboly Protestanta Malagasy Fa iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana? Malagasy Bible Fa iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana? La Bible en Malgache Fa inona moa no moramora kokoa, ny miteny hoe: Voavela ny helokao sa ny miteny hoe: Mitsangàna ka mandehana! |
Dia indro nisy lehilahy anankiray malemy nandry tamin’ny fandriany nentin’ny olona teo aminy. Nony nahita ny finoan’ireo i Jesoa, dia hoy Izy tamin’ilay malemy: «Matokia, anaka, fa voavela ny helokao.»
Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’olona manam-pahefana etỳ an-tany hamela heloka, dia hoy Izy tamin’ilay malemy: Mitsangàna, ento ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.»
Ary i Jesoa, nony nahita ny finoan’ireo, dia nanao tamin’ilay malemy hoe: «Anaka, voavela ny helokao.»
Nony nahita ny finoan’izy ireo i Jesoa, dia nanao hoe: «Ralehilahy, voavela ny helokao.»
Noho ny finoana ny Anarany no nampahatanjahan’ny Anarany an’io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io; eny, ny finoana avy aminy no nanome azy izao fahasitranana tsara teo imasonareo rehetra izao.
ary nanao taminy hoe: «Ry Enea, hanasitrana anao i Jesoa Kristy; mitsangàna ka amboary ny fandrianao.» Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy.