Matio 7:6 - Baiboly Katolika Aza omena ny alika ny zava-masina, ary aza atsipy amin’ny kisoa ny voahanginareo, sao hitsahiny ireny, dia hifotitra hamiravira anareo izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aza omena ny amboa ny masina; ary aza atsipy eny amin’ny kisoa ny vatosoanareo, fandrao hanitsaka azy izy dia hifotitra ka hamiravira anareo. DIEM PROTESTANTA Ny zava-masina, aza omena ny alika, fandrao hifoteran’ny alika ianareo ka hoviravirainy; ary ny vatosoanareo, aza atsipy amin’ny kisoa, fandrao voahosihosiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny zava-masina, aza omena ny alika, fandrao hifoteran’ny alika ianareo ka hoviravirainy; ary ny vatosoanareo, aza atsipy amin’ny kisoa, fandrao voahosihosiny. Baiboly Protestanta Malagasy Aza omena ny alika izay masina; ary aza atsipy eo anoloan’ny kisoa ny vato soanareo, fandrao hanitsaka azy izy, dia hifotitra ka hamiravira anareo. Malagasy Bible Aza omena ny alika izay masina; ary aza atsipy eo anoloan'ny kisoa ny vato soanareo, fandrao hanitsaka azy izy, dia hifotitra ka hamiravira anareo. La Bible en Malgache Aza omena ny amboa ny masina; ary aza atsipy eny amin’ny kisoa ny vatosoanareo, fandrao hanitsaka azy izy dia hifotitra ka hamiravira anareo. |
Amin’izany andro izany koa dia maro no ho tafintohina ka hifampiampanga sy hifankahala be ihany.
Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby izay ao amin’ny masonao, ary raha efa izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny tapak’ahitra ao amin’ny mason’ny rahalahinao.
Tany am-pivahiniana imbetsaka, matetika no saiky nidiran-doza, dia loza tamin’ny ony, loza tamin’ny jiolahy, loza tamin’ny iray firenena amiko, loza tamin’ny Jentily, loza tao an-tanàna, loza tany an’efitra, loza tany amin’ny ranomasina, loza tamin’ny havana sandoka;
Mitandrema tena amin’ireo amboa, mitandrema tena amin’ireo mpiasa ratsy, mitandrema tena amin’ireo manan-takaitra!
mba toy inona kosa àry no hamafin’ny fampijaliana heverinareo ho tandrifin’izay nanitsakitsaka ny Zanak’Andriamanitra, sy nanao ho zavatra tsy masina ny Ran’ny fanekena nanamasinana azy, ary nanevateva ny Fanahin’ny fahasoavana?
nefa nivadika, dia hataon’ireny ahoana ny hohavaozina indray ho amin’ny fibebahana, nefa anie mamàntsika ny Zanak’Andriamanitra amin’ny Hazofijaliana indray izy ireo, sady manolotra Azy halàm-baraka?
Tanteraka amin’ireny ilay ohabolana marina hoe: Ny alika miverina amin’ny loany, ary ny kisoa voasasa, mihosim-potaka indray.
Fa any ivelany kosa ny alika sy ny mpimasy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, mbamin’izay rehetra tia lainga sy mpandainga.