Fa i Jesoa nahalala ny faharatsiany ka nanao hoe: «Ry mpihatsaravelatsihy, nahoana ianareo no maka fanahy Ahy?
Matio 7:5 - Baiboly Katolika Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby izay ao amin’ny masonao, ary raha efa izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny tapak’ahitra ao amin’ny mason’ny rahalahinao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ny masonao, fa amin’izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny singan’ahitra eo amin’ny mason’ny rahalahinao. DIEM PROTESTANTA Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny vatan-kazo eo amin’ny masonao; izay ianao vao hahiratra tsara ka hahaisotra ny tapak’ahitra eo amin’ny mason-kavana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny vatan-kazo eo amin’ny masonao; izay ianao vao hahiratra tsara ka hahaisotra ny tapak’ahitra eo amin’ny mason-kavana. Baiboly Protestanta Malagasy Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ny masonao, ary amin’izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao. Malagasy Bible Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny masonao, ary amin'izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao. La Bible en Malgache Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ny masonao, fa amin’izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny singan’ahitra eo amin’ny mason’ny rahalahinao. |
Fa i Jesoa nahalala ny faharatsiany ka nanao hoe: «Ry mpihatsaravelatsihy, nahoana ianareo no maka fanahy Ahy?
Ary nahoana ianao no mahita ny tapak’ahitra ao amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa tsy mahita ny sakamandimby izay eo amin’ny masonao?
Ary ahoana no ilazanao amin’ny rahalahinao hoe: Avelao hoesoriko ny tapak’ahitra amin’ny masonao, nefa indro fa misy sakamandimby eo amin’ny anao?
Aza omena ny alika ny zava-masina, ary aza atsipy amin’ny kisoa ny voahanginareo, sao hitsahiny ireny, dia hifotitra hamiravira anareo izy.
Ry mpihatsaravelatsihy, hainareo fantarina ny toetry ny lanitra sy ny tany, ka ahoana àry no tsy ahafantaranareo izao andro diavintsika izao?
Fa hoy ny navalin’ny Tompo azy: «Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny ampondrany hiala amin’ny tranony avy ianareo, ka mitondra azy hisotro rano na dia sabata aza ny andro?
Ary hoy kosa i Jesoa taminy: «Marina raha tsy ataonareo amiko ilay ohabolana hoe: ‹Dokotera, sitrano aloha ny tenanao? Ny zava-mahagaga renay nataonao tany Kafarnaoma mba ataovy eto amin’ny tany nahabe Anao koa.› »
Ary hataonao ahoana no filaza amin’ny rahalahinao hoe: ‹Ry rahalahy, aoka hoesoriko ny sombim-bozaka amin’ny masonao›, nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao aza tsy hitanao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby amin’ny masonao, izay vao ho hitanao ny hanesoranao ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao.»
Ary izao no navalin’ny fanahy ratsy azy ireo: «Fantatro i Jesoa, ary fantatro koa i Paoly; fa iza kosa ianareo?»