Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 7:3 - Baiboly Katolika

Ary nahoana ianao no mahita ny tapak’ahitra ao amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa tsy mahita ny sakamandimby izay eo amin’ny masonao?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nahoana ianao no mijery ny singan’ahitra eo amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa ny andry eo amin’ny masonao dia tsy mba tsikaritrao akory?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nahoana moa ianao no mahita ny tapak’ahitra eo amin’ny mason’ny havana iray finoana, nefa ny vatan-kazo eo amin’ny masonao tsy tandrinao akory?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nahoana moa ianao no mahita ny tapak’ahitra eo amin’ny mason’ny havana iray finoana, nefa ny vatan-kazo eo amin’ny masonao tsy tandrinao akory?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nahoana hianao no mijery ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao, fa ny andry eo amin’ny masonao dia tsy mba tsaroanao?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao, fa ny andry eo amin'ny masonao dia tsy mba tsaroanao?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nahoana ianao no mijery ny singan’ahitra eo amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa ny andry eo amin’ny masonao dia tsy mba tsikaritrao akory?

Jereo ny toko



Matio 7:3
10 Rohy Ifampitohizana  

Ary ahoana no ilazanao amin’ny rahalahinao hoe: Avelao hoesoriko ny tapak’ahitra amin’ny masonao, nefa indro fa misy sakamandimby eo amin’ny anao?


Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby izay ao amin’ny masonao, ary raha efa izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny tapak’ahitra ao amin’ny mason’ny rahalahinao.


Nitsangana ilay Farisianina ka nivavaka tao am-pony hoe: ‹Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona hafa izay mpangalatra, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka itsy Poblikanina itsy akory aza;


Toy izany koa ianao, ry olona, na zovy na zovy ianao no mitsara, dia tsy manan-kalahatra ianao; fa amin’ny fitsarànao ny hafa, dia manameloka ny tenanao koa ianao, satria toy ny ataon’ny hafa ihany koa no ataonao mitsara.


Ry kristianina havana, raha misy olona azon-javatra tsy fidiny ka diso, dia aoka ianareo olona ara-panahy hananatra azy amin-kamoram-po, sy hitandrina fandrao mba azon’ny fakam-panahy koa.