Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 7:26 - Baiboly Katolika

Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao, ka tsy mitandrina azy, dia hanahaka ny lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa izay rehetra mandre ireo teniko ireo nefa tsy mankatò azy dia hoharina amin’ny lehilahy adala izy izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa izay rehetra mihaino ireo teniko ireo ka tsy manatanteraka azy dia ho tahaka ny lehilahy tsy misaina, izay nanorina ny tranony teo ambony fasika:

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa izay rehetra mihaino ireo teniko ireo ka tsy manatanteraka azy dia ho tahaka ny lehilahy tsy misaina, izay nanorina ny tranony teo ambony fasika:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa izay rehetra mandre izany teniko izany, nefa tsy mankatò azy, dia hoharina amin’ny lehilahy adala, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa izay rehetra mandre izany teniko izany, nefa tsy mankatò azy, dia hoharina amin'ny lehilahy adala, izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny fasika.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa izay rehetra mandre ireo teniko ireo nefa tsy mankatò azy dia hoharina amin’ny lehilahy adala izy izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika.

Jereo ny toko



Matio 7:26
9 Rohy Ifampitohizana  

ka nalaina talohan’ny andro voafetra, ary nindaosin’ny riaka ny fanorenany?


Ny vehivavy hendry, manorina ny tranony; ny vehivavy adala kosa, mandrava azy amin’ny tanany.


Ny hendry dia efa mahazo henatra, miraviravy tanana, ary voasambotra; indro fa nanary ny tenin’i Iaveh izy ireo! Ka inona intsony no ho fahendreny eo...?


Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy;


ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin’ny vatolampy.


ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, dia nianjera izy ka loza ny faharavàny.


Fa izay mihaino ihany kosa nefa tsy manaraka, dia tahaka ny olona anankiray nanorina ny tranony eo ambonin’ny tany tsy àry fototra, ka vao nasian’ny riaka, dia nirodana niaraka tamin’izay, ary loza ny faharavan’izany trano izany.


Fa moa te hiaiky va ianao, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy omban’asa?


Noho izany, izao no tenin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Fa efa voalazako fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; nefa ankehitriny, aza ho toy izany intsony, hoy i Iaveh. Fa izay manaja Ahy no hohajaiko, ary izay maniratsira Ahy no hotsiratsiraiko koa.