Nivoaka hitsena azy ireo i Davida sady niteny, nanao taminy hoe: «Raha hevi-pihavanana no ahatongavanareo atỳ amiko, mba hanampy ahy, dia hitongilana aminareo ny foko hikambanantsika; fa raha hamadika sy hanolotra ahy amin’ny fahavaloko kosa, nefa tsy misy an-keriny nataon’ny tanako, dia ny Andriamanitry ny razantsika no aoka hijery sy hamaly izany.»
mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo, dia Ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, ary mandatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.
Fa ianareo kosa, tiavo ny fahavalonareo, manaova soa ary mampisambora tsy manantena valiny: dia ho lehibe ny valisoanareo, ary ianareo ho zanaky ny Avo indrindra, dia Ilay tsara fo amin’ny tsy mpankasitraka sy ny ratsy fanahy.
Farany, ry kristianina havana, mifalia, miezaha ho lavorary, mifanalà alahelo, miraisa hevitra, mihavàna tsara, dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fitiavana amam-piadanana.
Koa sady solon’i Kristy àry izahay no irak’Andriamanitra koa, ka tahaka an’Andriamanitra no mananatra, sy toy ny Tenan’i Kristy no mihanta aminareo hoe: Mihavàna re amin’Andriamanitra ianareo!
Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin’ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa.