Matio 5:27 - Baiboly Katolika Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe. Aza mijangajanga Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Efa renareo fa voalaza hoe: «Aza mijangajanga.» (Eks 20.14) DIEM PROTESTANTA –Efa renareo fa voalaza hoe: «Aza maka vadin’olona!» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Efa renareo fa voalaza hoe: «Aza maka vadin’olona!» Baiboly Protestanta Malagasy Efa renareo fa voalaza hoe: „Aza mijangajanga” (Eks. 20.14). Malagasy Bible Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga (Eks. 20. 14). La Bible en Malgache Efa renareo fa voalaza hoe: «Aza mijangajanga.» (Eks 20.14) |
Raha misy lehilahy maka vadin’olona, ka mandry amin’ny vadin’ny namany, dia hatao maty izy ireo ho valin’izany, na ralehilahy naka vadin’olona na ravehivavy nalainy.
Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: Aza mamono olona, ary izay hamono olona dia hohelohina amin’ny fitsarana.
Ary efa renareo koa fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: Aza mianiana tsy to, fa efao amin’ny Tompo ny fianiananao.
«Aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao. Aza mitsiriritra ny tranon’ny namanao, na ny taniny, na ny ombiny, na ny ampondrany, na izay mety ho an’ny namanao.