Matio 4:17 - Baiboly Katolika Hatramin’izay dia nanomboka nitory teny i Jesoa ka nanao hoe: «Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’izany andro izany no nanomboka nitoriteny Jesosy ka nilaza hoe: Mibebaha ianareo fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra. DIEM PROTESTANTA Hatramin’izay i Jesoa dia nanomboka nitoriteny ka nanao hoe: –Ialao ny toe-dratsy, fa efa akaiky ny Fanjakàn’ny lanitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hatramin’izay i Jesoa dia nanomboka nitoriteny ka nanao hoe: –Ialao ny toe-dratsy, fa efa akaiky ny Fanjakàn’ny lanitra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary tamin’izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra. Malagasy Bible Ary tamin'izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra. La Bible en Malgache Tamin’izany andro izany no nanomboka nitoriteny Jesosy ka nilaza hoe: Mibebaha ianareo fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra. |
Ary hatramin’ny andron’i Joany Batista no ho mankatỳ, dia azo an-keriny ny fanjakan’ny lanitra, ka ny mpanao an-keriny no mahazo azy.
Namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izy ireo tsy mba nomena izany.
Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy, nanao hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lehilahy izay namafy voa tsara tamin’ny taniny;
«Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina, ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao;
«Ary amin’izany ny fanjakan’ny lanitra, dia ho tahaka ny virjiny folo izay naka ny fanalany, ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina.
ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitraponao: etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.
Mandehana àry ianareo, ka fantaro ny hevitr’izao teny izao: Ny famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.»
Toy izany koa lazaiko aminareo, fa hisy hafaliana lehibe eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra raha misy mpanota iray mibebaka.»
Lazaiko aminareo, fa toy izany koa hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka, noho ny amin’ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana.»
ary tsy maintsy torina amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany.
Tokony ho telopolo taona i Jesoa tamin’Izy nanomboka nitory ny Evanjely, dia nataon’ny olona ho zanak’i Josefa, izay zanak’i Helỳ, zanak’i Matata,
Nony nandre izany izy ireo, dia sady nangina no nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe: Efa nomen’Andriamanitra ny fibebahana hahazoany ny fiainana koa ny Jentily.
Tsy nahoan’Andriamanitra ny andron’ny tsy fahalalana fahizany; fa asainy mibebaka daholo kosa ankehitriny ny olona rehetra amin’izao tontolo izao.
Dia hoy i Piera tamin’izy ireo: «Mibebaha, ary aoka samy hatao Batemy amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy ianareo rehetra mba hahazo ny famelana ny fahotanareo, dia handray ny Fanahy Masina homena anareo.
Nambarako tamin’ny Jody sy tamin’ny Jentily ny fanatonana an’Andriamanitra amin’ny fibebahana sy ny finoana an’i Jesoa Tompontsika.
fa nitory ny fibebahana sy ny fiverenana amin’Andriamanitra tany Damasy aloha, vao tany Jerosalema, sy eran’i Jodea manontolo, ary tamin’ny Jentily koa, mba hanaovany asa mendrika ny fibebahana.
Koa aoka hapetratsika ny abidim-pianarana ny amin’i Kristy, fa aoka handroso ho amin’izay lavorary kokoa isika, dia ny tsy haverintsika indray ireny foto-kevitra fanorenana ireny: dia ny fibebahana miala amin’ny asa maty, ny finoana an’Andriamanitra,