Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 3:3 - Baiboly Katolika

Izy no ilay voalazan’i Izaia mpaminany hoe: «Re ny feon’ilay miantso any an’efitra hoe: Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa izy no ilay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe: «Injany! Misy feon’ny miantso mafy any an-tany efitra hoe: Amboary ny lalan’NY TOMPO, ataovy mahitsy ny lalan-kalehany» (Isa 40.3).

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izy no ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’i Isaià mpaminany hoe: «Injany misy feon’olona miantso mafy ao an-taniefitra hoe: Amboary ny lalan’ny Tompo; ahitsio ny hizorany!»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izy no ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’i Isaià mpaminany hoe: «Injany misy feon’olona miantso mafy ao an-taniefitra hoe: Amboary ny lalan’ny Tompo; ahitsio ny hizorany!»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa izy no ilay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe: ,,Injany! misy feon’ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny làlan’i Jehovah, Ataovy mahitsy ny làlan-kalehany’’ (Isa. 40.3).

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa izy no ilay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany (Isa. 40. 3).

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa izy no ilay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe: «Injany! Misy feon’ny miantso mafy any an-tany efitra hoe: Amboary ny lalan’NY TOMPO, ataovy mahitsy ny lalan-kalehany» (Isa 40.3).

Jereo ny toko



Matio 3:3
8 Rohy Ifampitohizana  

Injany misy feo miantso hoe: «Misavà lalana any an’efitra, ho an’i Iaveh, manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika!


Indro Aho haniraka ny hirako, ka izy no hamboatra ny lalana eo alohako; dia ho tonga tampoka ao an-tempoliny ny Tompo tadiavinareo, ilay Anjelin’ny fanekena irinareo. Indro avy izy, hoy i Iavehn’ny tafika.


injay misy feo miantso any an’efitra hoe: «Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany»,


dia hialoha azy amin’ny fanahy sy ny herin’i Elia izy hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka ary ny tsy manoa ho amin’ny fahendren’ny olo-marina, hamboatra firenena voavonona ho an’ny Tompo.»


Ary ianao kosa, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin’ny Avo indrindra, fa hialoha ny Tompo ianao hamboatra ny halehany,


Dia hoy izy: «Izaho no feon’ny miantso any an’efitra hoe: Ahitsio ny lalan’ny Tompo, araka izay voalazan’i Izaia mpaminany.»