Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 3:16 - Baiboly Katolika

Nony vita batemy i Jesoa, dia niala avy teo anaty rano niaraka tamin’izay. ary indro nisokatra taminy ny lanitra, ka hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromahailala nankeo amboniny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary raha vao vita batisa Jesosy dia niakatra avy tao amin’ny rano avy hatrany; ary indro, nisokatra Taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala nankeo amboniny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nony vita batisa i Jesoa, dia niala avy hatrany tao anaty rano. Ary indro nisokatra tamin’i Jesoa ny lanitra ka hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromahailala nankeo amboniny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nony vita batisa i Jesoa, dia niala avy hatrany tao anaty rano. Ary indro nisokatra tamin’i Jesoa ny lanitra ka hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromahailala nankeo amboniny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin'ny rano niaraka tamin'izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary raha vao vita batisa Jesosy dia niakatra avy tao amin’ny rano avy hatrany; ary indro, nisokatra Taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala nankeo amboniny.

Jereo ny toko



Matio 3:16
14 Rohy Ifampitohizana  

Hitoetra eo aminy ny Fanahin’i Iaveh, dia ny fanahin’ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina, fanahin’ny fifidianana amam-paherezana, fanahin’ny fahalalana amam-pahatahorana an’i Iaveh.


Indro ny mpanompoko izay tantanako; ilay voafidiko ka sitraky ny foko; napetrako ao aminy ny fanahiko; hamoaka fahamarinana ho an’ny firenena izy.


Ary Izaho kosa, dia izao no fanekeko amin’izy ireo, hoy i Iaveh: Ny Fanahiko izay ao aminao, sy ny Teniko izay hataoko ao am-bavanao, dia tsy ho tapaka tsy ho eo am-bavanao, sy eo am-bavan’ny zanakao, ary eo am-bavan’ny zanaky ny zanakao, hatramin’izao ka ho mandrakizay, hoy i Iaveh.


Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo, satria voahosotr’i Iaveh aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;


Ary tamin’ny taona faha-30, volana fahefatra, raha teo amin’ireo babo, teo amoron’ny ony Kobara aho, dia nisokatra ny lanitra, ka nahita fahitana avy amin’Andriamanitra aho.


Raha vao niala avy tao anaty rano Izy, dia nahita ny lanitra nisokatra, sy ny Fanahy Masina nidina tahaka ny voromahailala, nankeo amboniny;


Dia hoy koa Izy: «Lazaiko marina dia marina aminareo fa hahita ny lanitra misokatra sy ny Anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina ao ambonin’ny Zanak’olona ianareo.»


Satria izay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny tenin’Andriamanitra fa tsy misy fetrany no fanomen’Andriamanitra ny Fanahy.


hatramin’ny nanaovan’i Joany batemy Azy ka hatramin’ny andro niakarany any an-danitra, dia aoka hisy anankiray ho namantsîka mba ho vavolombelon’ny nitsanganany ho velona.


Fa indray nihoraka izy rehetra, sady nanentsin-tadìny no niara-niantoraka taminy.


Dia Izy no ilay avy tamin’ny rano sy ny ra; tsy tamin’ny rano ihany, fa tamin’ny rano sy ny ra; ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana.