Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 27:18 - Baiboly Katolika

satria fantany fa fialonana no nanoloran’izy ireo an’i Jesoa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fantany mantsy fa fialonana no nanoloran’ireo Azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fantatr’i Pilato fa fialonana no nanoloran-dry zareo an’i Jesoa, ilay atao hoe Kristy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fantatr’i Pilato fa fialonana no nanoloran-dry zareo an’i Jesoa, ilay atao hoe Kristy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa fantany fa fialonana no nanoloran’ireo Azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa fantany fa fialonana no nanoloran'ireo Azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fantany mantsy fa fialonana no nanoloran’ireo Azy.

Jereo ny toko



Matio 27:18
13 Rohy Ifampitohizana  

Ireo rahalahiny nialona azy, fa rainy kosa nitadidy izany.


Tao an-toby indray izy ireo nialona an’i Môizy, sy i Aarôna ilay olo-masin’i Iaveh.


Masiaka ny havinirana, miafonafona ny hatezerana, fa zovy no hahatoetra raha asian’ny fialonana?


Hitako fa ny asa rehetra mbamin’ny fahakingana rehetra amin’ny taozavatra dia ny fialonana mihatra amin’olona avy amin’ny namany ihany; koa dia zava-poana amam-panenjehan-drivotra foana koa izany.


Ry Iaveh ô, ny tananao efa voaainga tsy hitan’izy ireo. Fa ny zotom-ponao ho an’ny olonao kosa ho hitany ka hangaihay izy ireo; ho levon’ny afo natao handevonana ny fahavalonao.


ka rehefa nivory ny vahoaka, dia hoy i Pilaty taminy: «Iza no tianareo halefako ho anareo, i Barabasy sa i Jesoa Izay atao hoe Kristy?»


Ary raha nipetraka teo amin’ny fitsarana izy, dia nampaniraka taminy ny vadiny hilaza hoe: «Aza manao na inona na inona amin’io Lehilahy marina io ianao, fa nampahory ahy be ihany izay nanofisako Azy halina izay.»


satria fantany fa fialonana no nanoloran’ny lohandohan’ny mpisorona Azy taminy.


Fa feno fialonana ny Jody nony nahita izany vahoaka be izany, ka sady nanohitra ny teny nolazain’i Paoly no nanevateva azy.


Tamin’izay dia nentin’ny fialonana ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpiandany aminy, dia ny Sadoseanina ireo, ka nisafoaka.


«Ary ireo Patriarka nialona an’i Josefa ka namidiny ho any Ejipta izy; nefa nomban’Andriamanitra kosa.


Ary moa ataonareo ho teny foana va ny lazain’ny Soratra Masina hoe: «Tia anareo sy saro-piaro anareo aza ny Fanahy Izay nampitoeriny ao anatinareo?»