Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 27:15 - Baiboly Katolika

Ary isaky ny fetin’ny Paka dia fanaon’ny governora ny mandefa mpifatotra anankiray tian’ny vahoaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Isaky ny tonga ny andro firavoravoana dia fanaon’ny governora ny manafaka mpifatotra iray ho an’ny vahoaka, araka izay tiany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary fanaon’ny governora isaky ny fankalazana ny Paska ny mandefa mpigadra anankiray, dia izay tian’ny vahoaka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary fanaon’ny governora isaky ny fankalazana ny Paska ny mandefa mpigadra anankiray, dia izay tian’ny vahoaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary isaky ny tonga ny andro firavoravoana dia fanaon’ny governora ny mandefa mpifatotra anankiray ho an’ny vahoaka, araka izay tiany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary isaky ny tonga ny andro firavoravoana dia fanaon'ny governora ny mandefa mpifatotra anankiray ho an'ny vahoaka, araka izay tiany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Isaky ny tonga ny andro firavoravoana dia fanaon’ny governora ny manafaka mpifatotra iray ho an’ny vahoaka, araka izay tiany.

Jereo ny toko



Matio 27:15
11 Rohy Ifampitohizana  

«kanefa aoka tsy ho amin’ny andro fety, hoy izy ireo, fandrao mitabataba ny vahoaka.»


Ary tamin’izay dia nisy mpifatotra anankiray malaza atao hoe Barabasy,


Koa hofaiziko Izy, dia halefako.»


Fa tsy maintsy mandefa mpifatotra iray ho an’ny vahoaka rahateo izy amin’ny andro fety.


Kanjo indray niredona ny vahoaka niantso hoe: «Vonoy io, fa i Barabasy alefaso ho anay.»


Fa i Piera kosa nijanona tany ivelany tao akaikin’ny vavahady. Dia nivoaka ilay mpianatra izay fantatry ny lehiben’ny mpisorona, ka niteny tamin’ny vehivavy mpiandry vavahady, ary nampiditra an’i Piera.


Tamin’izay dia natolony azy hofantsihana i Jesoa. Ka noraisin’izy ireo Izy, dia nentiny.


Nony afaka roa taona, dia nodiasan’i Pôrsiosy Festosy i Feliksa, ary noho izy te hahazo sitraka tamin’ny Jody, dia navelany ho mpifatotra tao ihany i Paoly.


Nila sitraka tamin’ny Jody anefa i Festosy ka namaly an’i Paoly hoe: «Manao ahoana raha miakatra any Jerosalema ianao, ka dia any no tsaraina eo anatrehako, ny amin’izany zavatra izany?»